Paul Rabary: « Nataon’ny Covid-19 marenina tanteraka ny sofiko ilany »

  • mercredi, 15 juillet 2020 08:42
  • Sary nindramina

« Roapolo andro katroka androany aho no niady tamin’ny Covid-19 », hoy i Paul Rabary tao amin’ny pejiny facebook. « Ady mafy, ady tena sarotra, ady mangotraka saika namoizako ny aiko. Efa imbetsaka no sempotra sy tsy avy niaina intsony. Efa nisy fotoana nametra-beloma ny tapaka sy namana rehetra. Ary efa vonona ny hilavo lefona ny vatana sy ny saina fa nitaky ny fialantsasatra amin’izay », hoy hatrany ity minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha ity.

« Nataon’ny Covid-19 marenina tanteraka ny sofiko ilany. Koa aza omena tsiny aho raha toa ka tsy maheno tsara intsony rehefa miresaka mivantana aminareo. Ary mbola tsy tena salama tanteraka aho manoratra ho anareo fa mbola mila manao “rééducation” ny avokavoko izay nitondra takaitra koa ».

« Namantsika voalohany amin’ny fitandroana ny fahasalamana dia ny mpitsabo sy ireo mpiasan’ny fahasalamana… Tena tsy mora ny manjo azy ireny, indrindra amin’izao fotoana izao… Koa raha azo atao, omeo ny Hasiny, omeo ny anjara toerany, omeo fitaovana sahaza ary omeo fahatokisana tanteraka ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra manerana ny Nosy, fa izy ireo no tena miady amin’ny Covid-19 amin’ny heriny iray manontolo », hoy i Paul Rabary.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.