Tsy fandriampahalemana: Jiolahy miisa 03 maty voatifitra tetsy Masay - Antananarivo

  • jeudi, 25 juin 2020 13:50
  • Sary: Polisim-pirenena

Jiolahy nikasa hanafika tokantrano iray etsy Analamahitsy-Antananarivo no lavon’ny Polisy. Andro maromaro ny Polisy no nanara-dia an'ireto andian-jiolahy, ary omaly alarobia 24 jiona no voalaza fa hanatanteraka io fanafihana io ireto jiolahy miisa 04 ireto, ary nifanao fotoana tetsy Masay. Raha vao nahare io fanampim-baovao io ny Polisy dia nidina avy hatrany teny an-toerana.

Nifankahita teny an-toerana ny jiolahy sy ny Polisy ka avy hatrany dia nitifitra tamin'ny basy kalachnikov sy poleta PA ireto jiolahy. Raikitra ny fifampitifirana ary nahery vaika ny fifandonana ka lavon'ny balan'ny polisy ny jiolahy miisa 03, raha tafaporitsaka kosa ny 01 tamin'izy ireo.

Fantatra nandritra ny fanadihadiana natao fa isan'ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana eto an-drenivohitra ireto jiolahy ireto.

(Loharanom-baovao: Polisim-pirenena)

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.