Sambava: « Infirmier » voarohirohy amina halatra moto

  • jeudi, 18 juin 2020 14:40
  • Sary Gasypatriote Sambava

Ny andrimasom-pokonolona no nisambotra an’ity « Infirmier » ity raha nifanehatra nandritra ny fisafoana natao tamin'ny alina ; izy rahateo efa nahazoan’ny andrimasom-pokonolona vaovao fa tafiditra anatin'ity halatra moto ity ka nifanejehana ary tratra.

Niaiky ny helony ilay mpangalatra moto ary nangataka mba hanao raharaham-pihavanana ka nanao sonia ny taratasy ho marik’izany. Natolony ny tokontaniny mitentim-bidy eo amin'ny 20 tapitrisa Ariary ho onitr’ilay moto izay tsy hita.

Noraisin’ny Zandary an-tanana ny raharaha hisorohana ny fitsaram-bahoaka.

Mampianatra amina sekoly tsy miankina ity « Infirmier » ity ary efa nirotsaka hofidiana Ben’ny tanàna saingy nihemotra rehefa tsy feno ny antontan-taratasiny.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.