Ambalafary - Ambanja: Nitrangana vono olona feno habibiana

  • jeudi, 18 juin 2020 09:11
  • Sary nindramina

Lehilahy iray no niharan’ny vono feno habibiana niafara tamin’ny famoizana aina. Voarasarasa ny tarehiny, novorahina ny kibony ary noboriana hatramin’ny maha lehilahy azy. Tao anatin’ny sahany tao Ambalafary ity lehilahy ity no niharan’ny famonoana, ny alahady 26 aprily 2020, hoy ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany akaiky.

Nifarimbona ny Fokonolona sy ny Zandary avy ao amin’ny « Poste Avancé » Bemanevika tamin’ny fikarohana ireo mety ho nahavanon-doza. Nisy andiana mpangalatra tratra tao anatin'ilay saha nitrangana io vono olona io. Fito mianadahy no voasambotra ny 28 aprily 2020, ary ahiahiana ho tafiditra tamin’ny famonoana ilay lehilahy ny 26 aprily 2020 izy ireo.

Natolotra ny Fitsarana izy fito mianadahy ireo taorian’ny famotorana nataon’ny Zandary ary notazomina amponja vonjimaika avokoa.

Gaga sy ketraka ary vonton’alahelo ny ray aman-dreny sy ny fianakavian’ny maty, nilaza fa hitan’izy ireo mivezivezy ao Ambalafary, tanànan’ilay maty, nanomboka ny 13 jona 2020 ny lehilahy iray tamin’ireo fito notazomina am-ponja vonjimaika. Tsy vitan’izany, hoy hatrany ny fijoroana nataon’ireo ray aman-dreny sy ny fianakavian’ny maty fa mitondra zava-maranitra mandalo ny tokontany io olona io toa mihantsy ady amin'ny fianakavin'ny namoy havana.

Nitondra ny fitarainany teo anivon’ny fikambanana « Zanaka Ambanivolo Miray » ny ray aman-dreny sy ny fianakavian’ny maty ; mambra ao amin’ity fikambanana ity rahateo ilay namoy ny ainy. Mametra-panontaniana ireo fianakaviana hoe: tamin’ny fomba ahoana no nivoahan’io olona ahiahiana io ny fonja nefa tsy mbola nisy fitsarana nandeha.

Matoa natolotra ny mpitandro ny filaminana sy ny Fitsarana ireo olona voasambotra dia nisorohana ny fitsaram-bahoaka ary koa hitadiavana ny marina manodidina ity vono olona feno habibiana ity, hoy ny fianakavian’ny maty ary nohamafisin’ny fikambanana « Zanaka Ambanivolo Miray ». Miantso ny solombavam-bahoaka voafidy ao Ambanja izy ireo hijery akaiky izao raharaha.

Re fa iharan'ny tsindry sy fandrahonana ireo mpanao gazety manao fanadihadiana sy manaraka akaiky ny fivoaran'ity raharaha ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.