Morondava: Voasambotra ny mpangalatra cyclo-pousse

  • mardi, 28 janvier 2020 08:30
  • Sary Gasypatriote Morondava

Niainga tamin’ny fitoriana mikasika fahaverezana cyclo-pousse tamin’ny 13 janoary ny fikarohana nataon’ny Polisy. Fahitana seza tamina cyclo-pousse iray hafa miasa eto an-drenivohitry ny Faritra Menabe no nitarika ny fahitana ireo mpangalatra.

Nitohy tamin’ny fisavana trano teny Morafeno Bemanonga ny fikarohana ka nahitana entana mampiahiahy maro ankoatra ilay cyclo-pousse nokarohina rehefa nisy nangalatra.

Lehilahy roa no voasambotra tamin’izao halatra izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.