Randriamparany Jean Bosco: Manao ranolava ireo mpanohana azy

  • lundi, 04 novembre 2019 10:34
  • Sary nindramina

Ora sisa isaina dia hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna, izay hatao ny tontolo andron’ny alarobia 27 novambra 2019 ny latsa-bato. Samy mandamindamina faramparany ireo kandida hiatrehana ny fanokafana rahampitso.

« Ny tonga miaraka ny anay no fanombohana, ary ny miasa miaraka no fahombiazana », hoy Randriamparany Jean Bosco, kandida Ben’ny tanàna narotsaky ny Tiako i Madagasikara ao amin’ny Kaominina Ambohitrolomahitsy Distrikan’i Manjakandriana.

« Tsy nataonay ambanin-javatra », hoy i Bosco ny « précampagne » nitetezana ireo Fokontany miisa 20 mandrafitra an’Ambohitrolomahitsy, nampahafantarana ny mponina fa kandida Ben’ny tanàna ny tenako ary « efa noporofoinay tamin’ny asa sosialy sy fanohanana ny tanora tamin’ny fanatanjahantena ny fahavononako hitantana ity Kaominina irotsahako ity ».

Avy amin’ny « Manifesto » an’ny filoha Marc Ravalomanana no nandrafetana ny fandaharan’asako mandritra ny efa-taona iasan’ny Ben’ny tanàna, hoy i Bosco. Efa vonona ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana izany, eny hatramin’ny kandida sasany mpifaninana amiko aza tapa-kevitra hanohana anay, hoy hatrany i Bosco.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.