Andron’ny Firenena Mikambana: Nomarihina tamin’ny fambolena honko tao Manombo

  • samedi, 26 octobre 2019 10:20
  • Sary nomena

Nomarihina tamin’ny fambolena zanaka honko tao Manombo, Distrikan’i Toliara faharoa ny fankalazana ny Andron’ny Firenena Mikambana, ny alakamisy 24 oktobra 2019. Nitarika ny hetsika ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian.

Ilaina ny mamorona ala vaovao noho ny fiovaovan’ny toetr’andro, hoy hatrany ny Praiminisitra, ka tsy tokony hatao fombafomba fotsiny izao hetsika izao, fa mila fikojakojana ireo zana-kazo novolena, satria miteraka harena vaovao izy ireny, ary mitondra fampandrosoana ho an’ny faritra misy azy.

Ny ala honko dia toerana ahafahan’ireo hazan-drano maro, toy ny drakaka sy ny makamba mitombo, ka hanatsara ny fiainan’ny mponina sy ny mpiara-belona eny ifotony ny fitrandrahana ireny vokatra ireny.

Miaina tanteraka amin’ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny faritra Atsimon’i Madagasikara, maro ihany koa ireo toerana izay mitady ho ngazana sy maina kanefa ny fisian’ny ala no mamaritra ny toetry ny andro amin’ny toerana iray.

(Sary nomena)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.