Vaovao

    • mardi, 28 juillet 2020 18:34

    Mahabo- Amboasary Atsimo: Kaporaly nitifitra ka nahafaty sivily zanaka sefo Fokontany

    Tovolahy iray, 21 taona, no maty tsy tra-drano notifirin’ny miaramila iray avy ao amin’ny 1/RM5 Toliara, manana galona kaporaly. Tao Mahabo Centre, Distrika Amboasary Atsimo no niseho ny loza, omaly atoandro. Tsy mbola fantatra mazava ny anton’ny fitifirana nataon’ilay miaramila. Basy kalachnikov no nampiasan’ilay kaporaly nitifirana, ary bala roa no niantefa tamin’ilay tovolahy avy ao an-damosiny ka nahafaty azy, araka ny fanamarinana nataon’ny dokotera. Zanaka Sefo Fokontany ilay tovolahy voatifitra. Efa nalain’ny fianakaviana ny nofo mangatsiakany taorian’ny fanamarinana. Nanokatra fanadihadiana ny Zandary avy amin’ny Poste Fixe Mahabo.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 28 juillet 2020 17:00

    ESGN Moramanga: Sitrana avokoa ireo Zandary voan’ny Covid-19

    Zandary miisa 12 nanaraka fiofanana tao amin’ny Sekoly ambony ny zandarimaria ao Moramanga no voamarina fa voan’ny Covid-19 taorian’ny fitiliana natao azy ireo ny 15 jolay 2020. Efa sitrana avokoa izy ireo ankehitriny, ary nahazo taratasy fanamarinana izany tsirairay avy. Mbola tazomina ao amin’ny sekoly mandritra ny 14 andro anefa izy ireo, mialoha ny hiverenan’izy ireo isanisany any amin’ny toerana iasany avy.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 28 juillet 2020 16:39
    • Sary Zp

    Isoanala- Betroka: Tovolahy iray tra-tehaka niaraka tamin’ny rongony tapa-gony

    Saron’ny Zandary avy ao amin’ny brigady Isoanala Distrika Betroka, omaly, ny tovolahy iray monina ao Maromandroso Kaominina Isoanala, nahitana rongony tapa-gony milanja 3,5 kg. Anatin’ny famotorana azy ny Zandary hamantarana ny fiavian’io zavamahadomelina io sy izay mety ho iray tsikombakomba aminy.    
    Lire la suite ...
    • lundi, 27 juillet 2020 19:37
    • Sary nindramina

    Nosy Be: Novatsiana fitaovana sy fanafody hitsaboana ireo marary Covid-19

    Tonga taty Nosy Be ny filoha Andry Rajoelina mivady androany nametraka paikady hifehezana avy hatrany ny mety ho fiparitahan'ny valan'aretina Covid-19. Nisy ny fanolorana fitaovana fanaovana fitiliana sy ireo fanafody hitsaboana ireo marary ao amin’ny Hopitaly be. Nahazo concentrateurs d'oxygène roa ny hopitaly hanampiana ireo efa misy ao hamonjena ireo marary misy fahasemporana. Nambara ihany koa fa hovatsiana fiara mpitondra marary ary « radiologie numérique » ny hopitaly. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 25 juillet 2020 21:21
    • Sary nomena

    Mahamasina: Vonona handray marary ny Centre de Traitement Covid-19 vaovao

    Misokatra manomboka androany 25 jolay 2020 etsy amin’ny « stade annexe » Lapan’ny Fanatajahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina ny Centre de Traitement Covid -19 vaovao. Afaka mandray marary eo amin’ny 250 ity toeram-pitsaboana ity, ary efa misy ny fampitaovana rehetra toy ny « respirateurs » sy ny « concentrateurs d’oxygène ». Natao handraisana an-tanana ireo marary manana soritr'aretina “formes graves” tahaka ny olana eo amin’ny taovam-pisefoana sy ireo marary ahitana soritr’aretina nefa tsy afaka mihiboka ao an-tranony ity Centre de Traitement Covid- Mahamasina ity.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 22 juillet 2020 10:52
    • Sary nomena

    Bekopaka: Mitifitra ankitsirano, mampihorohoro ny miaramila

    Mahabe resaka ny fihetsika ataona andiana miaramila sasantsasany tato ho ato. Taorian’ny fandratrana olona tao Toamasina sy fitifirana tovolahy izay, 25 taona, tsy salama saina izay nitranga tao Andohan’Ilakaka dia tranga maromaro koa no andrenesana fitarainana any Bekopaka Distrika Antsalova. « Nahazo fandrahonana ho faty ny tenako. Miaramila mitam-basy no manao izany. Imaso imaso, ary teo anatrehana Assistant parlemantera no nitenenana izany tamiko ny marainan’ny Alahady 19 jolay 2020 fa : omenay anao ny anjaranao raha mitady ianao », hoy i Francklin Miadrizoky. Voatery nitsoaka ny tenako, hoy ity Ben’ny tanàna teo aloha tao Bekopaka ity. Voatery nisintaka ny tanàna nandeha moto ao Belo Tsiribihina ny tenany, ny alatsinainy teo, naneho ny alahelony tamin’ny horonantsary, ho « fanairana ny mpitondra fanjakana sy ireo ambaratongam-pifehezana miaramila » manoloana ny « fihoaram-pefy sy ny herisetra » ataon’ny miaramila sasany nalefa hampandry tany ao Bekopaka araka ny nambarany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 22 juillet 2020 10:37

    Fahamaizan’ny ONE: Tsy mbola misy hetsika hitadiavana tohana ara-bola

    Nanao fampahafantarana ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) fa ny hetsika rehetra hitadiavana tohana ara-bola noho ny fahamaizana nitranga tamin'ny trano nisy ny Foibem-pirenena momba ny Tontolo Iainana (ONE), ny alin'ny 15 jolay lasa teo, dia tsy maintsy filazana ôfisialy avy amin'ny Minisitera (MEDD) sy ny ONE irery ihany. Izay rehetra mitonona ho manana fahefana hanao izany dia sokajiana ho mpisoloky ary henjehina araka ny lalàna.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 20 juillet 2020 20:50
    • Sary nindramina

    Andohan’Ilakaka: Nitifitra tsy salama saina ny miaramila, mitsabo ny maratra ny fanjakana

    Nafanafana ny toe-draharaha teto Andohan’Ilakaka androany, tapaka nandritra ny fotoana vitsy hatramin’ny fifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha-7. Andian’olona maro no nidina an-dalambe naneho ny fanoheran’izy ireo ny nitifiran’ny miaramila tovolahy iray "tsy salama saina, tsy nanao aro-tava". Naratra mafy ity farany. Nanao fanambarana ary nampita izany tamin'ny tambazotran-tserasera ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena nanasokajy ho « fihoaram-pefy » ny fikasihan-tanana ataon’ny miaramila sasantsasany, tahaka ny tany Toamasina sy Ilakaka, ary milaza fa « efa mandray fepetra hentitra hanasaziana azy ireo ».
    Lire la suite ...
    • dimanche, 19 juillet 2020 15:06
    • Sary: Polisim-pirenena

    Mpanendaka: Telo lahy tra-tehaky ny polisy vao maraina tetsy Isotry

    Nisintona poketrana vehivavy iray mpiantsena teo akaikin'ny tetezan-dRamala Isotry – Antananarivo ireto mpanendaka miisa telo ireto no tra-tehaky ny Polisy manao fanamiana sivily. 16, 18, 19 ny taonan’izy ireo, ary efa fanaon'izy ireo ity asa ratsy ity. Tsy nampoizin'ireto zatovo ny fisiana Polisy manao fanamiana sivily mivezivezy amin'iny faritra iny ka tra-tehaka. Noentina tao amin'ny Kaomisaria Isotry ireo mpanendaka ary tonga nametraka fitoriana azy ireo ilay vehivavy voaendaka.    
    Lire la suite ...
    • samedi, 18 juillet 2020 13:35
    • Sary nindramina

    Nosy Be: 10 000 Ar no namonoany ny mpampiasa azy

    Voasambotry ny Zandary ny 13 jolay teo i Dix, rehefa nokarohina nandritra ny roa volana. Namono nahafaty vehivavy iray, izay mpampiasa azy tany Ambatozavavy - Nosy Be izy, tranga izay niseho ny 12 May 2020. Vola 10 000 Ariary, karamany izay mbola tsy voaloa no namonoany tamin’ny fomba feno habibiana ilay vehivavy mpampiasa azy.  
    Lire la suite ...
Page 8 sur 205