Vaovao

    • dimanche, 23 août 2020 17:52
    • Sary nomena

    Faritra Atsinanana: Mamita iraka any amin'ireo Distrika 03 amin'ny tapany Atsimo

    Mamita iraka any amin'ireo Distrika 03 amin'ny tapany Atsimo ny ekipa tarihin'ny Governora RAFIDISON Richard Théodore nanomboka tamin'ny Alarobia lasa teo: - Anisan'ny dinika amin'izany ny mikasika ny PRD na Drafitrasam-pampandrosoana taona 2020-2023,- Teboka lehibe amin'ity fitsidihana ity ihany koa ny fametrahana vatofehizoro an'ireo asa fanamboaran-dàlana mamakivaky ireo Distrika notsidihina:Ny 19 aogositra tao Brickaville, ny 20 aogositra tao Vatomandry ary ny 21 aogositra ny tao Mahanoro.
    Lire la suite ...
    • samedi, 22 août 2020 11:49
    • Sary nindramina

    Ambohidravaka-Antsirabe: Roa lahy maty latsaka tao an-davadrano vao namboarina

    Namoizana ain’olona ny fanatsarana lavadrano tao Ambohidravaka-Antsirabe, omaly. Mirefy 30 metatra any ny halalin’ilay lavadrano rehefa avy nodiovina. Tonga teo amin’ny fotoana nametahana ny bizo no nitranga ny loza. Bizo miisa valo no napetaka. Tsy nisy olana ny fampidinana ny bizo niisa fito, fa teo amin'ny fampidinana ny bizo farany no nitranga ny loza. Latsaka niaraka tamin’ny bizo tao anaty lava-drano ny mpandavaka iray. Tsy nahatana ny tady nampidinana azy ireo ka dia tapaka tampoka, voasintona niaraka tany koa ny lehilahy iray, izay talen-tsekoly iray ao Antsirabe.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 21 août 2020 20:06
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Ady amin’ny Covid-19: Nisitraka fanampiana avy amin’ny Holafitra ny mpanao gazety teto Antsirabe

    Nisitraka ireo aro-vava sy ranom-panafody fandiovan-tanana (gel hydroalcoolique) avy amin'ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara ireo mpanao gazety teto Antsirabe. Nidina taty an-toerana ny biraon'ny Holafitra notarihan'ny filohany, Rakotonirina Gérard nizara izany. Nambaran’ity farany fa Faritra efatra no misitraka ireo fitaovana ireo araka ny nanoratana ny tetikasa tany am-piandohana, ka ho hita eo ireo faritra hafa satria nivoatra ihany koa ny fihanaky valanaretina Covid-19 ity.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 19 août 2020 21:59
    • Sary nomena

    Antenimierandoholona: Loholona sy mpiasa miisa 114 notiliana Covid-19

    Notanterahina ny zoma 14 aogositra 2020 ny fitiliana faobe Covid-19 andiany faharoa ho an’ny Loholona sy ho an’ny mpiasa eto anivon’ny Antenimierandoholona. Niisa 114 izy ireo no nisitraka izany fitiliana izany tamin’ity andiany faharoa ity, ho fanohizana ny fitiliana faobe Covid-19 izay natao ny 08 jolay 2020. Izao moa no natao dia ny ahafahana mamehy ny fiparitahan’ny valanaretina sy mba ahafantaran’ny rehetra ny toe-pahasalamany, hoy ny fanazavana azo avy ao amin’ny Lapa maitso Anosikely.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 18 août 2020 18:38

    DRENETP Vakinankaratra: Hiverina an-tsekoly ireo mpianatra kilasim-panadinana

    Raha tsy misy toromarika vaovao dia hiverina an-tsekoly ireo mpianatra amin’ny kilasim-panadinana rehetra manerana an’i Vakinankaratra manomboka amin’ny alatsinainy 24 aogositra ho avy io, araka ny filazana navoakan'ny Foibem-paritry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika sy arak'asa Vakinankaratra.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 18 août 2020 18:33

    Covid19: Natokam-ponenana ireo mpianatra 41 nody eto Maroantsetra

    Mpianatry ny oniversite ao Toamasina miisa 41 no afaka nody eto Maroantsetra, rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny CRCO Atsinanana sy CRCO Analanjirofo. Natokam-ponenana ao amin’ny EPP Androkaroka izy ireo harahi-maso ara-pahasalamana noho ny fisian’ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara. Nanao taratasy fanekena tsirairay avy rahateo izy ireo, fa hanaja ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fihanaky ny Covid-19. Salama avokoa izy 41 mianadahy taorian’ny fizaham-pahasalamana natao azy ireo teo ampahatongavana. Nilaza izy ireo fa vonona hanaraka ny lamina.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 16 août 2020 22:26
    • Sary nindramina

    Fifandonana tao Beteva Miandrivazo: Zandary roa naratra, dahalo 10 lavo ary 11 hafa voasambotra

    Nanao fanarahandia sy savahao ireo dahalo namono nahafaty ny Ben'ny Tanàna Ampanihy, Distrika Miandrivazo, Faritra Menabe ny Zandary avy amin'ny kaompania Miandrivazo nampian'ireo avy amin'ny Hery vonjy taitra Antananarivo. Nifanehitra tamin'ny andian-dahalo maro tao Beteva Kaominina Ampanihy izy ireo ny marainan'ny 15 aogositra 2020. Nisy ny fifandonana mahery vaika. Naratra voatifitra teo amin'ny fe ny zandary Lietenà iray nitarika ireo andian-tafika nanao hetsika savahao. Nandritra ny vonjy aina an'ilay manamboninahitra dia mbola notafihan'ireo dahalo ihany koa ny fiara nitondra azy ka naratra noho izany ny Zandary iray hafa.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 13 août 2020 21:39
    • Tahirin-tsary Gasypatriote

    Foibem-pirenena ho an’ny Tontolo Iainana: Hanohy ny asany eny Ambatobe, taorian’ny nahamay ny biraony teo Antaninarenina

    Ao amin’ny Birao foiben’ny Organe de Lutte contre les Evénements de Pollution na OLEP eny Ambatobe – Antananarivo no misy ny birao vonjimaika ny Foibem-pirenena ho an’ny Tontolo Iainana na ONE. Ny ONE sy ny OLEP moa dia samy rantsana miankina amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Firaisankina teo amin’ny mpiasan’ny ONE sy fanohanana ara-pitaovana avy amin’ny GIZ sy ny oriansa SMTP no ahafahan’ity Foibem-pirenena ho an’ny Tontolo Iainana ity hanohy ny asany indray.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 12 août 2020 15:21
    • Sary nindramina

    Ady amin’ny Covid-19: Tonga ireo « concentrateurs d'oxygène » andiany faharoa miisa 1095

    Nigadona teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly ny fiaramanidina nitondrana ny andiany faharoa amin'ireo « concentrateurs d'oxygène » miisa 1095. Tohin'ireo efa tonga tamin'ny 09 Aogositra 2020 lasa teo ireto. Misitraka izao fampitaovana izao avokoa ireo hopitaly lehibe rehetra manerana ny Nosy, izay mandray ireo mararin'ny Covid-19. Nanamafy ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Pr Ahmad Ahmad fa ny tanjona voalohany ampiasaina ireo fitaovana ireo dia ny hanafoanana tanteraka ny isan'ireo aina hafoy amin'ny valanaretina "Coronavirus", noho ny tsy fahampian'ny fitaovam-pitsaboana, araky ny efa nambaran'ny Filoham-pirenena. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 11 août 2020 21:02
    • Sary: ZP

    Malaimbandy- Mahabo: Navelan’ireo dahalo ny basy, naleon’izy ireo nitsoaka

    Saron’ny Zandary nandritra ny savahao nataon’izy ireo tao Morafeno Fokontany Ambonara Kaominina Malaimbandy Distrika Mahabo ny 5 aogositra teo ny kitapo iray, basy poleta nisy bala tokana, basimborona roa sy fitaovana samihafa fikojakojana basy ary omby iray. Toerana fiafenan’ny dahalo io Morafeno io. Nisy dahalo dimy tao tamin’io fotoana io, saingy vaky nandositra raha nahatazana ireo zandary tonga hisambotra azy ireo, ka tavela ireo fitaovam-piadiana ireo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 5 sur 204