Vaovao

    • dimanche, 14 février 2016 18:27
    • Sary Sobika Sambava

    Ambatofitatra Sambava : Ramatoa iray maty tampoka tao amin’ny biraon’ny Fokontany

    Renim-pianakaviana iray no maty tampoka tao amin’ny biraon’ny Fokontany Ambatofitatra, Sambava omaly, raha iny nanaovana famotorana momba ny fitarainana izay nataon’ny mpifanolo-bodirindrina taminy.
    Lire la suite ...
  • Vondrozo
    Vondrozo
    • dimanche, 14 février 2016 09:05
    • Sary: Sobika Farafangana

    Vondrozo : Mitoka-monina tanteraka

    Very fanahy mbola velona no azo ilazana ny mponina any Vondrozo amin’ny faharatsian'ny lalana. Anaovan'ny mpitondra foibe be marenina ny fangatahan'izy ireo ny mba hanamboarana ny lalana hany ka mitoka-monina i Vondrozo noho ny haratsian'ny lalana. Ny Distrikan’i Vondrozo dia Distrika iray amin'ny ilany andrefan'ny faritra Atsimo Atsinanana mifanefitra amin'ny Distrikan’i Ivohibe faritra Ihorombe. Mirefy 650km eo ny lalana mampitohy ireo Kaominina miisa 18 madrafitra Distrikan'i Vondrozo saingy efa tsy afaky ny fiarakodia avokoa eny fa na dia ireny tsy mataho-dalana (4x4) ireny aza. Isan'izany ny RN 27 mampitohy an'i Farafangana-Vondrozo-Ivohibe-Ihosy.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 12 février 2016 17:01
    • Sary Sobika

    Herisetra : Bingo ahiana ho tapaka ny tongotr’i Raissa Marie Floriette

    Zazavavy kely taizan’i Nenitoany i Raissa Marie Floriette, taorian’ny nisarahan’ny ray aman-dreniny tamin’ny 2013. Nentin’ilay ramatoa niara-nonina taminy tany Ambalavelona Andrafialava, Distrikan’i Vohémar, ilay zaza taorian’izay. Handray enin-taona amin’ny volana septambra 2016 izy. Misy fery be, vokatry ny ratra, ny tongotra havanana eo ambanin’ny lohalik’i Raissa Marie Floriette. Bingo mihitsy io tongony io, ary manaintaina tsy zakany. Averimberiny fa kapoka tamin’ny botan-kazo kitay, nataon’ny nenitoany mitaiza azy io no nahazoany io fery io, tamin’ny volana desambra 2015 raha nilalao niaraka tamin’ny namany izy.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 12 février 2016 15:36
    • Photo: Archives Net

    Olana ara-pitiavana : Namono tena ilay rangahy

    Lehilahy tanora herotrerony, 24 taona, no maty namono tena tamin’ny fandrapahana fanadody marobe, noho ny olana ara-pitiavana. Mbola mitaiza kely vavikely enim-bolana ny vadiny. Tamin’ny fotoana nahaterahan’ny vadiny no nandre siosion-dresaka ilay rangahy fa efa niteraka tamin’olon-kafa ity rennin-janany ity. Notazomin’ilay rangahy ho tsiambaratelo tany izany nandritra ny enim-bolana.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 12 février 2016 13:22
    • Photo: Njaka

    SEFAFI : « Manotrika atody lamokany »

    Manentana ny tsirairay andray andraikitra ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena, indrindra ireo mpitondra fanjakana izay ambarany fa tsy mahafa-po. Tsy mandeha mihitsy ny fiainam-pirenena, miampy ny kolikoly izay mandetika hatrany, araka ny nambaran'Andriamanjato Ralison, filoha mpitarika ny SEFAFI. Nandrafitra boky ihany koa ireo mpikambana, "La mayonnaise ne prend toujours pas" izay mirakitra ny fanaraha-maso ny fiainam-pirenena sy ny fanehoan-kevitra maro tamin’iny taona 2015 iny.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 11 février 2016 23:21
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : Lavanila maitso 300kg nisy nitango teny an-tanimboly

    Lavanila maitso, manodidina ny 300kg no nanjavona teny an-tanimboly tao Ambohitrakongona Kaominina ambanivohitr’i Sambava. Raha iny handeha hiasa ireto tantsaha no taitra raha nahita fa voatsongo na nisy nioty sahady ny volin’izy ireo. Tantsaha efatra no lasibatra tamin’izany. Tonga nijery ny zava-nisy ny Lehiben’ny Fokontany, Bejoma Modeste, ary nitondra fitarainana tamin’ny mpitondra ao amin’ny Faritra mba hijery ny fomba hiarovana ny sehatra lavanila fa efa manjaka sahady ny halatra ka mandry andriran’antsy ny mpamboly.
    Lire la suite ...
  • Tanambao Daoud
    Tanambao Daoud
    • jeudi, 11 février 2016 01:22
    • Sary Sobika Sambava

    Tanambao Daoud – Sambava : Mirongatra ny aretina ambalavelona

    Manomboka very fanahy mbola velona toy ny valala tapak’elatra ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra any amin’ny Kaominina ambanivohitra Tanambao Daoud, Distrikan’i Sambava fa efa ampolony ireo zaza mihetsika aretina ambalavelona. Efa roa herinandro izao io trangan’aretina hafahafa io, fa tsy mety foana. Omaly izao dia mpianatra amin’ny CEG indray no lasibatra raha mbola tany amin’ny EPP no nisantatra izany. Rehefa voa ny ankizy iray ao ampianarana dia misavoritaka ary raiki-tahotra avokoa ny sisa tavela. Nanezaka ihany ireo mpitondra fivavahana sy ny mpiandry fa mbola tsy misy fanafany ny aretina. Sahiran-tsaina ny Ray aman-dreny any Tanambao Daoud, miantso fanampiana mba handresena ity aretina hafahafa ity.
    Lire la suite ...
  • Jirama Sabava
    Jirama Sabava
    • mardi, 09 février 2016 21:35
    • Sary Sobika Sambava

    Jirama Sambava : Mitsipaka marindrano ny fanasoketana azy

    Mampitaraina ny mpanjifa ny tsy fitovian’ny fitsinjarana ny herinaratra isaky ny kartie ao Sambava. Misy tsy mahazo jiro mihitsy ao anatin’ny efatra alina misesy, misy anefa ireo tokantrano tsy azo tapahina mihitsy ny jiro ao aminy.
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 février 2016 13:35
    • Photo: Sobika Antsirabe

    ACMIL Antsirabe : Mifandimby tonga ny diplaomaty vahiny

    Nitsidika ny sekolin’ny manamboninahitra Akademia Miaramila Antsirabe io atoandro io ny mpiandraiki-draharaha ao amin’ny ambasadin’i Alemaina, Atoa Karl Prinz. Anton’ny fitsidihana dia noho ny fanavaozana ny rafitra fanofanana ireo manamboninahitra malagasy.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 05 février 2016 15:53
    • Photo: madamaki.com

    Inanantonana – Betafo : Nodoran’ny Fokonolona ny biraon’ny Kaominina

    Tsy nankasitrahan’ny vahoakan’i Inanantonana, Distrika Betafo ny fanoloana ny Ben’ny tanana lanim-bahoaka ka noterana sy nosoloina ny Ben’ny tanana teo aloha, izay tsy lany intsony na dia nilatsaka tamin’ny anaran’ny HVM, antokon’ny fitondrana aza. Efa nisy ny lanonana fametrahana samboady ireo Ben’ny tanàna rehetra voafidy nanerana an’i Vakinankaratra, nandritra ny fitsidihana nanokafana ny “Festival Zovy” saingy tato aoriana, ny 09 Desambra 2015 indray dia nisy ireo nesorin’ny Fitsarana tao Vakinankaratra ka isan’izany ity tao Inanantonana ity.
    Lire la suite ...
Page 198 sur 214