Vaovao

  • Zaza narian-dreniny
    Zaza narian-dreniny
    • samedi, 20 février 2016 22:28
    • Sary Sobika Sambava

    Fiarahamonina : Zaza menavava 3 volana narian’ny Reniny

    Zazalahy kely, 3 volana, antsoina hoe Sandrico no narian-dreniny niteraka azy tany anaty bozaka, tao Tsararivotra Sambava, androany sabotsy 20 febroary 2016, manodidina ny mitatao vovonana. Ramatoa sendra nandalo no naheno feon-jaza mitomany ka nandeha nijery, ary tamin’izay no nahitany an’ity zazakely.
    Lire la suite ...
    • samedi, 20 février 2016 22:21
    • Sary Sobika Farafangana

    Farafangana : Dimy volana tsy nahita TVM

    Efa ho dimy volana izao ny mponin'i Farafangana no tsy nahita ny fandaharan'ny Televiziona Malagasy (TVM). Tsy fahasimbana fitaovana fa ny tanjaky ny herinaratra no ambany satria any amin’ny 160 Volts fotsiny. Ny « émetteur » ny fahitalavitra ihany koa efa somary antitra.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 19 février 2016 09:14
    • Photo: Archives net

    Fiaraha-monina : Katsaka manta namonoana olona

    Tonga naka katsaka teny an-tanimboly ity ramatoa iray, mba ho an-janany. Nosakanana lehilahy iray, izay sakaizany ihany, izy mba tsy haka katsaka. Nikiry anefa rahavehivavy ary nilaza fa tsy azonao sakanana amin’ity aho fa izaho koa mba namboly azy ity niaraka tamin’ny vadinao.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 19 février 2016 08:32
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : Kiôska ho an'ny Tanora avy amin’ny Firenena Mikambana lasa toerana fifohana zavamahadomelina

    Kiôska fanomezana avy amin’ny Firenena Mikambana ho an'ny Tanora eto Sambava dia lasa fialokalofan’ireo mpidoroka zavamahadomelina, ary ireto farany no manakorontana ny tontolon’ny fampianarana ao amin’ny EPP sy ny CEG Antanifotsy ka nampitaraina ireo mpanabe amin’ireto sekoly ireto fa rehefa tenenina izy ireo dia avo vava ka matahotra ny mpampianatra sao andrasan’ireto rehefa mody.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 18 février 2016 21:51
    • Sary Njaka

    Faritr'Isotry : Fandriampahalemana tsy misy

    Mitaraina ny mponina eny amin’ny faritr’Isotry sy ny manodidina fa dia manararaotra ireo mpitandro ny filaminana izay manao fisavana tsy ara-dalana amin’ny fiara sy ireo moto ary ny olona izay sendra ireto mpitandro ny filaminana ireto.
    Lire la suite ...
  • Fetin'ny sekoly Farafangana
    Fetin'ny sekoly Farafangana
    • jeudi, 18 février 2016 21:09
    • Sary Sobika Farafangana

    Farafangana : Niavaka ny fanokafana ny Andron’ny sekoly

    Karnavaly nihodidina ny tanàna ka nifarana tao amin’ny kianja filalaovam-baolina no nanombohana ny fankalazana ny andron’ny sekoly tao Farafangana ny marain’ny alarobia 17 febroary.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 18 février 2016 07:55
    • Sary Sobika Sambava

    Faritra SAVA : Mirongatra ny aretina ambalavelona

    Ankizivavy no tena lasibatr’io aretin’ny maizina io. Misy 14 amin'izao ireo mizaka tsy fidiny any amin'ny ZAP Tanambao Daoud. Niitatra any Antalaha koa izao ny ambalavelona ka maro ireo CEG ahitana azy io, toy ny CEG Ampohibe, Santaha, Ambondrona ary Maherifody.
    Lire la suite ...
  • Be Juliano
    Be Juliano
    • jeudi, 18 février 2016 07:43
    • Sary Sobika Sambava

    Trangam-piainana : Zaza enim-bolana terena hariana tany anaty farihy

    Sahiran-tsaina i Razainamalala Fazila manoloana ny faneren-drafozany azy hanary any anaty farihy ny zanany naterany rehefa nilaozam-badiny izy, nefa tsy manana antom-pivelomana hamelomana ny zanany. Nenjehin’ny eritreriny i Razainamalala Fazila ka tsy sahy nanary ilay zaza, Be Juliano no anarany, fa nandondom-baravarana tany amin’ny sampandraharahan’ny mponina ao Sambava, iandraiketan’i Bosco.
    Lire la suite ...
  • Soanindrariny
    Soanindrariny
    • mardi, 16 février 2016 20:18
    • Sary Sobika Antsirabe

    RIP 122 : Tapaka ny tetezana, mitoka-monina i Soanindrariny sompitry ny paoma

    Tapaka tanteraka ny lalan’i Soanindrariny miainga avy ao Antsirabe mihazo an’i Mandray iny. Eo amin’ny PK 12 amin’ny Lalam-paritany faha-122 (RIP 122) miantsinanana iny io tapaka io. Ny talata 16 febroary tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, raha ny nambaran’ny mponina no nihotsaka ny tetezana ao amin’ny Fokontany Ambohimandroso.
    Lire la suite ...
  • Tompokolahy Rakotoarisoa Raymond
    Tompokolahy Rakotoarisoa Raymond
    • mardi, 16 février 2016 19:37
    • Sary FB

    Zotra Toamasina- Antsirabe : Mpandeha iray maty tao anaty fiara

    Lehilahy iray, Rakotoarisoa Raymond, teraka tamin’ny 1959, nandeha taksiborosy amin’ny zotra Toamasina – Antsirabe, nanao lavalina niainga tany Toamasina ny harivan'ny alatsinainy 15 febroary ary tonga ny talata maraina tao Antsirabe no namoy ny ainy.
    Lire la suite ...
Page 197 sur 214