Vaovao

    • lundi, 07 mars 2016 19:31

    Antsahamanitra : Vola roa baoritra lasan’ny jiolahy mitam-basy

    Volana toby mpaninjara solika iray eny Anosizato, handeha harotsaka any amin’ny banky BMOI Antaninarenina no lasan’ny jiolahy mitam-basy teo ampiakarana an’Antsahamanitra androany misandratr’andro.
    Lire la suite ...
    • lundi, 07 mars 2016 12:13
    • Photo: Njaka

    8 marsa: Fitiliana momba ny homamiadana mpahazo ny vehivavy

    Tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny vehivavy dia hanao hetsika fanentanana momba ny homamiadan'ny nono sy ny fitiliana no homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza etsy amin'ny CFM anosy ny JCI ilon'arivo sy ny fondation BOA miaraka amin'ny sampandraharaha misahana izany etsy amin'ny HJRA rahampitso 08 marsa. Vehivavy miisa 300 ihany no raisina ka 20 hatramin'ny 50 taona efa nanao firaisana ara-nofo ihany no tiliana.
    Lire la suite ...
  • Farafangana
    Farafangana
    • samedi, 05 mars 2016 07:18
    • Sary Sobika Farafangana

    Farafangana : Hasiana « lot » amin’izay ny trano

    Niatrika fiofanana momban'ny fenitry ny toeram-ponena an-tanan-dehibe ireo tompon'andraikitry ny sampandraharaha voakasik'izany sy ny mpitantana ny Kaominina ao Farafangana an-drenivohitra. Isan'ny fahalalana nomena tamin'izany ny fomba fanorenana foto-drafitrasa sy ny taotrano mahatanty sy afaka miaro amin'ny voina mety hitranga na voajanahary na tsia, eo ihany koa ireo lalàna mifehy ny toeram-ponenana an-tanandehibe, ary ny karazan-ketra azon'ny Kaominina hanatsarana ny fidiram-bolany.
    Lire la suite ...
  • RAKOTONANDRASANA Gilbert filohan'ny fikambanana AMI
    RAKOTONANDRASANA Gilbert filohan'ny fikambanana AMI
    • vendredi, 04 mars 2016 08:10
    • Sary Njaka

    Anosizato: Namidin'ny HAFARI amin'ny karana ny kianjan'ny tanora?

    Lafo ny kianja filalaovam-baolina eny Anosizato, nefa kianjam-panjakana araky ny filazan'i RAKOTONANDRASANA Gilbert izay filohan'ny fikambanana AMI. Nilaza ity farany fa dia tanora maro no tsy misy hatao manoloana izao zavatra mitranga izao satria dia lafo nisy nividy ity kianja ity ka miteraka alahelo hoan'ny mpitia fanatanjahantena.
    Lire la suite ...
  • Fonjan'ny Maroantsetra
    Fonjan'ny Maroantsetra
    • vendredi, 04 mars 2016 08:06
    • Sary Sobika

    Maroantsetra : Nilamin-dratsy

    Nilamindamina anio maraina ny tany Maroantsetra taorian'ny fitraotran'ny vahoaka vokatry ny fisamborana ka nanagadrana ilay mpiompy lazaina fa nanao fitsaram-bahoaka ka nahafaty ilay mpangalatr'omby tany an-toerana. Nidiran'ny vahoaka an-keriny tokoa manko tao amin'ny lapan'ny Fitsarana, ary noraisin'izy ireo tamin'ny vozona ankanjony ny mpitsara mpampanoa lalàna, nodoran'izy ireo ny antonta-taratasim-pitsarana maro.
    Lire la suite ...
  • Tetezana Amboanjobe, manoloana ny vavahadin’ny hotely Resto Gasy
    Tetezana Amboanjobe, manoloana ny vavahadin’ny hotely Resto Gasy
    • jeudi, 03 mars 2016 18:15
    • Sary nindramina FB

    Lalànan’ny fifamoivoizana : Ny Fanjakana aza tsy manaja

    Nitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha-7 iny androany. Ny antony dia nihitsoka teo ambany tetezana Amboanjobe, manoloana ny vavahadin’ny hotely Resto Gasy ny fiarabe nitondra milina mpihary herinaratry ny Jirama, nalaina avy eny Antanandrano hafindra any Behenjy. Avo loatra mihoatra ny fetra voatondro, ny milina nobaben’ilay fiarabe ka nidona tamin’ny tetezana. Misoratra mivandravandra eo amin’ny fototr’ilay tetezana fa 4,50m no fetra haavo afaka mandalo ao ambany tetezana. Tsy voahaja izany matoa nihitsoka ilay fiarabe. Tokony efa fantatry ny Fanjakana mialoha anefa izany, vao nohetsehina ilay milina. Voaporofo teto indray fa tsy misy governemanta miasa izany eto. Aiza ilay hoe : “Gouverner c’est prévoir” ? Fiarovan-tseza no manahirana ny sasany, hany ka ny vahoaka no mizaka ny vokany. Fatiantoka iray lavaka ho an’ireo namonjy fotoana, satria dia nitandavana ampolony kilaometatra ny fitohanan’ny fiarakodia avy any atsimo androany. Tsy lazaina intsony ny nahazo ireo marary nila famindran-toerana maika taty an-drenivohitra androany ?
    Lire la suite ...
  • Ben’ny tanàna, Paul Razanakolona
    Ben’ny tanàna, Paul Razanakolona
    • jeudi, 03 mars 2016 18:12
    • Sary Sobika Antsirabe

    Paka 2016 : Vonona ny tanànan’Antsirabe

    Vonona amin’ny fiatrehana ny fetin’ny Paka ny tananan’ Antsirabe, hoy ny Ben’ny tanàna, Paul Razanakolona. Efa voafandriky ny orinasa Star sy ny Comadis ny manoloana ny gara aloha hatreto, izay hisian’ny hetsika ara-javakanto isan-karazany, tafiditra amin’ny fisantarana ny THB Tour izany. Hisy ihany koa ny hetsika ara-pilazantsara eny amin’ny kianjan’ny kolontsaina ankoatry ny hetsika maro amina toerana samihafa ao Antsirabe. Entin’ny Kaominina manontolo hanasoavana ny tananan’Antsirabe ny vola azo amin’ity Paka 2016 ity raha ny fampanantenan’ny mpitantana ny tanàna. Isan’ny hanaovana ezaka manokana moa ny lafiny fanadiovana sy fidiovana amin’ity Paka 2016 ity raha ny nambaran’i Paul Razanakolona ihany.
    Lire la suite ...
  • Fambolen-kazo Ampitatafika
    Fambolen-kazo Ampitatafika
    • dimanche, 28 février 2016 16:36
    • Sary Augustin Andriamananoro

    Tontolo iainana : Namboly hazo ny MAPAR

    Nifamotoana teny Ambohipamonjy, Fokontany Faliarivo omaly sabotsy 27 febroary ireo mpikambana MAPAR Ampitatafika – Atsimondrano nanatanteraka fambolen-kazo, fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sady adidy amin’ny tanindrazana rahateo.
    Lire la suite ...
    • samedi, 27 février 2016 22:07

    Fanampoizinana : Zanaka Lehiben’ny Fokontany saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

    Voasary notsindromina asidra nampitondraina olona homena ramatoa iray no niandohan’ny olana. Tovovavy, 15 taona eo, no mpaniraka ary zanaka lehiben'ny Fokontany, tovolahy kosa no niangaviany hitondra ny voasary, noho ity tovolahy ity mpiray tanàna amin'ilay olona homena azy.
    Lire la suite ...
    • samedi, 27 février 2016 21:51
    • Sary Sobika Ambatondrazaka

    Kolikoly : Namaky bantsilana ireo Mpisolovava ao Ambatondrazaka

    Manjaka ny kolikoly any Alaotra hoy ireo mpisolovava ao Ambatondrazaka tamin’ny teny nahitsy. Mitondra faisana amin’izany kolikoly izany ireo olona mila raharaha eny anivon’ny Fitsarana sy ny sampandraharaham-panjakana samihafa any an-toerana.
    Lire la suite ...
Page 194 sur 213