Vaovao

    • vendredi, 18 mars 2016 23:56
    • Sary Sobika

    Mponin’Ambohibary Sambaina : Tsy nahita TVM hatramin’ny novambra 2015

    Tapaka hatramin’ny voalohandohan’ny volana novambra 2015 ny TVM any amin’ny Kaominina Ambohibary sy Antanifotsy. Nambaran’ny lefitry ny Ben’ny tananan’Ambohibary fa nisy varatra nipoaka tany an-toerana tamin’izany ka ny fitaovana fanapariahana ny sary sy ny “Transfo” mitondra ny herinaratra no nirefotra ary nahatapaka ny fahitalavim-pirenena.
    Lire la suite ...
  • Fivorian'ny Ben'ny Tanana tany Antsirabe
    Fivorian'ny Ben'ny Tanana tany Antsirabe
    • jeudi, 17 mars 2016 21:11
    • Sary Sobika Antsirabe

    Antsirabe : Nampiantrano ny fivorian’ireo Ben’ny tanàna an-tanan-dehibe

    Tontosa tao Antsirabe androany alakamisy 17 marsa ny fivoriana voalohan’ireo Ben’ny tanàna an-tanan-dehibe maromaro nahitana ny Ben’ny tananan’Antsirabe mpampiantrano, Toamasina ary Mahajanga. Nahatonga solontena kosa ny Fianarantsoa, Toliara ary Antananarivo.
    Lire la suite ...
  • Soafeno Jean Moramody
    Soafeno Jean Moramody
    • mercredi, 16 mars 2016 22:04
    • Sary nomena, izay isaorana ny namana

    Soafome Jean Moramody : Migadra ao Moramanga

    Nanao dinika tamin'ny mpanao gazety ny Mpampanao Lalàna, ny mpitsara mpanao fanadihadiana tao Moramanga, niaraka tamin'ny Sekretera jeneralin'ny sendikan'ny mpitsara SMM androany tany Moramanga, mikasika ilay mpamily fiara tsy matahodalana nahafaty olona 5 tamin'ny 28 febroary 2016.
    Lire la suite ...
  • Fikambanana Gasy Masimandidy amin'ny Taniny
    Fikambanana Gasy Masimandidy amin'ny Taniny
    • mercredi, 16 mars 2016 18:25
    • Sary Njaka

    Fikambanana Gasy Masimandidy amin'ny Taniny : Manome fepotoana ho an'ny fitondrana

    Ny Fikambanana Gasy Masimandidy amin'ny Taniny na GMT dia manome fepotoana ho an'ny fitondram-panjakana hatramin'ny 29 martsa hamahana ny olana misy eto amin'ny Firenena. Nampiaka–peo ireo fikambanana avy any Toamasina manoloana ny tsindry hazo lena ataon'ny mpitondra.
    Lire la suite ...
  • Antsirabe
    Antsirabe
    • mardi, 15 mars 2016 20:06
    • Sary Sobika Antsirabe

    Zaza tsy hita 5 taona : Efa voatsangan’ny Karana ao Antsirabe

    Zazalahy efa ho 5 taona no tsy hita, ary efa 10 taona izy amin’izao fotoana vao hitan’ny ray aman-dreniny tamin’ny fomba tsy nampoizina tao Antsirabe androany. Efa natsangan’ny teratany karana ho zanany anefa ilay zazalahy ary dia raikitra ny ady eny amin’ny Fitsarana amin’izao fotoana.
    Lire la suite ...
    • lundi, 14 mars 2016 14:58
    • Photo: Sary nomena

    Taombaovao malagasy

    Hafa kely ny hetsika nakalazana ny Taombaovao Malagasy teto an-jaridaina Faliarivo - Royal Park, satria nomena lanja manokana ny kolontsaina sy ny fitandrovana ny teny malagasy tao anatin'ity SEHO SEHATRA ity. Kabary, dihy, Antsa tononkalo ary fifampizaràna ny nofon-kena mitam-pihavanana no natao teto mba hifanojo amin’ny soatoavina Malagasy mitory fifankatiavana sy fihavanana.
    Lire la suite ...
    • samedi, 12 mars 2016 22:17
    • Photo d'Archives Net

    Ambotrosy – Farahalana : Tovolahy marary saina namono nahafaty ny rainy

    Tovolahy iray manodidina ny 30 taona namono ny rainy niteraka azy raha vao iny niaraka nivoaka avy tao am-piangonana iny omaly maraina tao Ambotrosy, Kaominina Farahalana, Distrikan’i Sambava. Raha ny vaovao voaray avy tamin’ny mpitandro ny filaminana dia marary saina ilay tovolahy ary efa ela no nitaizana azy ara-pivavahana tany amin’ny toby Andranomadio. Ka ny toromarika nomena ny fianakaviany dia mila entina any ampiangonana isan’andro ilay tovolahy, dia izao izy nentin-drainy namonjy fotoam-bavaka maraina izao, saingy nihetsika ary nivadika biby namono nahafaty teo noho eo ny rainy. Tonga tany ny zandary avy any Farahalana omaly nisambotra ary nanao fanadihadiana momba ity tranga ity.
    Lire la suite ...
    • samedi, 12 mars 2016 12:14
    • Photo: Njaka

    Fifanarahana arak'asa eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

    Notontosaina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana arak'asa momba ny ho fampiasana ny “hologramme”. Tokony hasiana “hologramme” daholo ireo karazana taratasy ampiasaina eo anivon'ny Kaominina mba hialana amin'ny hosoka.
    Lire la suite ...
  • Fankalazana 8 martsa Sakaraha
    Fankalazana 8 martsa Sakaraha
    • vendredi, 11 mars 2016 08:57
    • Sary nomena

    Sakaraha : Namela fahatsiarovana ny 08 martsa

    Nanamarika ny 08 martsa, Andron’ny vehivavy tao Sakaraha tamin’ity 2016 ity ny nananganana tsangambato. Ny Solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Sakaraha, Tinoka Roberto, no niantoka manontolo ny fanamboarana azy, araka ny fangatahan’ireo Fikambanam-behivavy ao an-toerana.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 mars 2016 22:37
    • Sary Njaka

    Andro iraisam-pirenena momba ny Voa

    Maherin'ny 200 000 ny olona marary voa eto Madagasikara. Notontosaina tetsy amin’ny DLC Anosy androany ny andro iraisam-pirenena hoan’ny voa. Soritra aretina efatra toy ny mipipi lava, ny diabeta, ny tosi-drà miakatra ary ny kista no fambara miseho amin'ny olona iray mety ho voan’ity aretina ity, ka tokony hanantona tobim-pahasalamana avy hatrany. Manodidina eo amin'ny 20.000 ka hatramin’ny 40.000 dolara ny fitsaboana azy ity.
    Lire la suite ...
Page 193 sur 214