Vaovao

    • mardi, 29 mars 2016 22:24
    • Sary Sobika Farafangana

    29 marsa Farafangana : Tohizana amin’ny ady amin'ny fahantrana indray

    Vavaka iraisam-pinoana tao amin'ny EKAR Katedraly ny maraina, avy eo niroso tamin'ny fametrahana fehezam-boninkazo tamin'ireo Fasan'ny mahery fo Amboanio sy tao Mahatsara Atsimo ary teo amin'ny tsangambaton'ny mahery fo akaikin'ny tsena.
    Lire la suite ...
    • mardi, 29 mars 2016 18:12
    • Sary Sobika Moramanga

    Moramanga : Niala bala ny filoha

    Nitaky ny fampanantenana nataon'ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina azy ireo tamin'ny taona 2015 ny filohan'ny bekotro ao Moramanga. Nitaky ihany koa ny hahatonga an'i Moramanga ho Faritra fa ity farany no novalian’ny filoha hoe « efa renivohitry ny tolona i Moramanga fa fampandrosoana no tadiavina, fa ho jerena akaiky kosa ny fangatahana tamin'ny taona lasa ».
    Lire la suite ...
    • mardi, 29 mars 2016 17:46
    • Sary Sobika Farafangana

    Festival Batrelaky 2016 : Antonia no « Miss Batrelaky » ary Modeste no « Bogosse Mitrelatrelaky »

    Nahoraka kosa ny famaranana ny « festival Batrelaky » tao amin'ny Kianja Monisipaly niaraka tamin'ny fifantenana ny « Miss Batrelaky » izay niantefa tamin’i Antonia izay naneho ny fomban'ny vehivavy Antefasy rehefa terabao ary i Modeste no « Bogosse Mitrelatrelaky » izay nampiseho ny fiainan'ny mpivarotra saribao avy any ambanivohitra aty Farafangana.
    Lire la suite ...
    • mardi, 29 mars 2016 16:55
    • Sary Sobika Farafangana

    Farafangana : Feno olona tao Cocobeach

    Toy ny isan-taona dia any amin'ny Cocobeach ny ankamaroan'ny olona eto Farafangana no mitsangatsangana rehefa Alatsinain'ny Paka. Na dia tanàna amoron-dranomasina aza i Farafangana dia ny Alatsinain'ny Paka sy Pantekôty no feno olona hatrany ny torapasika sy vody voanio.
    Lire la suite ...
    • mardi, 29 mars 2016 16:20
    • Sary Sobika Ambatondrazaka

    Ambatondrazaka : Mangatsiaka ny fankalazana ny 29 martsa 1947

    Fanahiniana nohamaivanina ve sa inona no antony ? Ambatondrazaka izay manana ny mampiavaka azy raha ny tantaran’ny tolona 29 martsa 1947 no resahina. Nihazakazaka tao Moramanga avokoa ny mpitantana ny Faritra sy ny Prefektiora. Nalahelo ireo akanga sisa nanamborana, izay 37 mirahalahy sisa ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka ka 8 amin’ireo ihany no mahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana. Hetahetan’ny filohan’ny fikambanana Rakotoson Jacques ny mba hanomezan’ny Fanjakana fanampiana azy 37 miralahy.
    Lire la suite ...
    • lundi, 28 mars 2016 22:32
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : Ankizivavy 9 taona no nanjavona tsy hita hatramin'izao

    Saika feno hipoka daholo ireo faritra malaza ao Sambava androany alatsinainin’ny Paka fa ny tany amin'ny « Plage » no tena betsaka mpisafidy. Indrisy anefa fa ankizivavy iray 9 taona no nanjavona tsy hita hatramin'izao raha vao avy nandro tamin'ny ranomasina. Edmira no anarany, ary any Ambariomihambana, 8km miala an’i Sambava no fihaviany. Nisy zazalahy sahabo ho 9 taona ihany koa no tsy nahatsiaro tena amin'ny hamamoana raha avy tany amin'ny « Plage » io hariva io ary mbola nahitana labiera amin’ny kapoaka teny an-tanany ; izy moa tsy niaraka tamin'ny Ray aman-dreniny. Tetsy andaniny koa dia nikarakara fety ho azy manokana tao Ambodisatrana ireo taranak’Andriana ao Sambava izay notarihin'ny Mpanjaka Andriamanjakarivo Saiid.
    Lire la suite ...
    • samedi, 26 mars 2016 22:17
    • Sary Sobika Antsirabe

    Antsirabe : Raikitra ihany ny « Paska Bira 2016 »

    Raikitra ny fety ho an’ny tananan’Antsirabe rehefa nifandrirarira tamina Tompon’andraikitry ny Serasera ny mpikarakara sy ny Kaominina. Niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana mihitsy moa ny olobe tao Vakinankaratra satria nahatsiaro ho voatohintohina ny andraikitr’izy ireo noho ny tsy fifazahoan-dresaka. Orinasa iray no tena nokendren’ilay Tompon’andraikitra noho ny resa-bola saingy niantraika tamin’ny mpikarakara hafa ihany koa ny vokany. Nilamina ihany moa izany izao.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 24 mars 2016 12:04
    • Photo: Njaka

    Fisolokiana sy hosoka : Olona 6 voasambotra

    Olona 06 no voasambotra ny andron’ny 18 Martsa 2016 teny Alakamisy Fenoarivo raha hanao ny asa ratsy fanaony no saron’ny Zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny heloka be vava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena eny Fiadanana.Efa ny taona 2014 no nanao ny asa ratsiny ireto mpanao hosoka tra-tehaka ireto. Ny faritra Itaosy sy Alakamisy fenoarivo iny no tena lasibatra ary fisandohana tanin'olona sy fanaovana taratasy hosoka no tena ataony.
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 mars 2016 17:23
    • Photo: Njaka

    Andro manerantany ho an'ny angano sy ny tononkalo

    Notontosaina tetsy amin’ny tranombokim-pirenena Ampefiloha anio ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny angano sy ny tononkalo. Notronin’Andriamatoa ANDRIAMOSARISOA Jean Anicet, minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena izay mpisolo-toerana ny minisitry ny kolotsaina ary notronin'ireo mpanoratra maromaro avy eto an-toerana sy avy any amin’ny faritra ny lanonana.
    Lire la suite ...
    • samedi, 19 mars 2016 17:13
    • Photo: Njaka

    Fifaninanana ho an'ny Radio : « Haino amanjery mitondra fiovana »

    Ny « Haino amanjery mitondra fiovana » dia tetikasa karakarain'ny « Coalition des Radios pour la Consolidation de la Paix » sy ny « Search for Common Ground » ary tohanan'ny masoivohon’ny Etazonia izay anasana ny radio rehetra na mpikambana na tsia eo anivon’ny fikambanana ny « Coalition des Radios » handray anjara. Izany dia natao mba ampitomboana ny fahaiza-manaon’ny radio, amolavolana sehatra ivondronan’ny radio ary ampiroboroboana ny fanaovan-gazety tompon’andraikitra eo amin’ny tontolon’ny haino-aman-jery Malagasy.
    Lire la suite ...
Page 192 sur 214