Vaovao

    • vendredi, 08 avril 2016 10:27
    • Photo d'Archives Net

    Delegasiona maraokana : Hanamarika ny fandalovany ao Antsirabe

    Hanamarika ny fandalovany ao Antsirabe mandritra ny “Fihaonambe faha-16 ny Frankofonia” ireo Delegasiona Maraokanina raha ny nambaran’ny Ben’ny tananan’Antsirabe, Paul Razanakolona.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 avril 2016 10:12
    • Sary Sobika Antsirabe

    Vakinankaratra : Mankalaza ny andron’ny rano sy ny fanadiova ary fidiovana

    “Rano ampy sy madio, Zo fototra antoky ny asa sy ny fampandrosoana”, io no lohahevitra nampitondraina ny hetsika natokan’ny Faritra Vakinankaratra sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ny “Andron’ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana” nanomboka ny 07 aprily ka hatramin’ny 9 aprily, manoloana ny lapan’ny tananan’Antsirabe.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 avril 2016 10:12
    • Sary Njaka

    Fitsaboana : Maro no tsy mahatakatra ny sarany

    Rehefa natao ny fanadihadiana dia dimam-polo isan-jaton’ny mponina eny amin’ny faritra iva no sahirana ara-bola. Tsy tomombana ny fidiram-bola hany ka lasibatra ireo ankizy rehefa sendran'aretina. Matetika tokoa dia ireny zaza sy ankizy amin'ny faritra iva no tratran'ny aretin'andoha sy fahasemporana kanefa tsy ampy hoenti-manana ireo ray aman-dreny hitsaboana ny zaza.  
    Lire la suite ...
  • Depioten’i Soanierana Ivongo, Tody Arnaud
    Depioten’i Soanierana Ivongo, Tody Arnaud
    • lundi, 04 avril 2016 21:17
    • Sary Sobika Toamaisna

    Lozam-pifamoivoizana RN5 : Naratra mafy ny depioten’i Soanierana Ivongo, Tody Arnaud

    Tsaboina ao amin’ny hopitaly manarapenitra Morafeno Toamasina ny solombavam-bahoakan’i Soanierana Ivongo, Tody Arnaud, noho ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy. Avy naka andiana skoto zanak’i Soanierana Ivongo nampianatra ireo tantsaha amin’ny fambolena vary 10 andro tao Vohilengo Fenoarivo Atsinanana ny tenany, no izao tra-doza izao.
    Lire la suite ...
    • lundi, 04 avril 2016 11:43
    • Sary Sobika Antsirabe

    Antsirabe : Haintrano namono zaza iray sy nahamay telo hafa

    Nitrangana hain-trano tao amin’ny fokontany Atsimontsena ny alin’ny sabotsy 3 martsa, tokony ho tamin’ny valo alina tany ho any. Trano hazo no nirehitra ary ny loza dia samy tsy tao ny ray aman-drenin’ireo ankizy, rangahy marary any amin'ny hopitaly, ramatoa no nitsabo azy any. Efatra mianadahy ireo zaza tao an-trano ka maty vokatry ny afo ilay zazalahy 2 taona, zandriny indrindra, raha toa ka may kosa ireo mpiray tampo aminy.
    Lire la suite ...
    • lundi, 04 avril 2016 10:34
    • Photo d'Archives Sobika

    Antsahalalina – Ambohimalaza (SAVA) : Pastera nahatrarana lavanila maitso

    Pastera amina Fiangonana zandriny iray no nosamborin’ny andrimasopokonolona ao Antsahalalina, Kaominina ambanivohitra Ambohimalaza Distrikan’i Sambava omaly, rehefa nahatratrarana lavanila maitso. Andian’ankizy no nahita lavanila maitso niparitaka teo akaikin’ny tranon’i Pastera. Namepetra azy ireo ity farany mba tsy hiteniteny amin'olona. Tsy nahafehy teny anefa ireo ankizy ka niparitaka ny feo, ka nandehanan'ny andrimasopokonolona nohamarinina na misy na tsia izany.
    Lire la suite ...
    • samedi, 02 avril 2016 21:45
    • Sary Sobika Farafangana

    Farafangana : Fanamarihana ny 2 aprily, Andron'ny zandary

    Natomboka tamin'ny fananganan-tsaina ny maraina tao amin'ny caserne Mahafasa Andrefana ao Farafangana, avy eo niroso tamin'ny hazakazaky ny firaisankina nandraisan'ireo mpitandro filaminana rehetra sy sivily anjara tao Farafangana. Nisy ihany koa ny lalao baolina kitra ho an'olona 7 tao amin'ny kianjan'i Don Bosco, izay nihaonan'ny Mpitandro ny filaminana (Zandary, polisy, miaramila, mpiandry fonja) sy ny sivily ka resy tamin'ny isa 5 no 4 ry zareo mpitazona basy.
    Lire la suite ...
  • Seranampiaramandina Antsirabato - Antalaha
    Seranampiaramandina Antsirabato - Antalaha
    • samedi, 02 avril 2016 09:05
    • Sary Sobika Antalaha

    Seranampiaramanidina Antsirabato - Antalaha : Iharan'ny fandrahonan'ny mponina manodidina ireo mpiasa

    Mba hisian'ny fiarovana ny seranampiaramanidina sy ny sidina rehetra ao Antsirabato Antalaha dia namafisina ny lalàna izay efa misy ka raràna ny manao hitsindalana amin'ny piste. Torak'izany koa ny manao kijana ny seranampiaramanidina,sy ny maka terre jaune sy bozaka manodidina. Misokatra ho an'ny olona rehetra ny seranampiaramanidina manomboka amin'ny 6 ora maraina ka hatramin'ny 5 ora sy sasany hariva.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 01 avril 2016 10:42
    • Photo: inovaovao.com

    01 aprily : Andron'ny Zandarimariam-pirenena

    Tsy diso anjara amin'ny fotoam-pankalazana izay efa feno tanteraka ireo fandaharam-potoana ho amin'ny andron'ny 01 aprily ny zandary ao Mahajanga. Mifanojo tamin'ny datin'ny 01 aprily 1971, izay nisian'ny fanoherana ny Repoblika voalohany ka nisian’ny vono moka izay nahafatesana olona an’arivony tamin'izany tany amin'ny faritra atsimo. Tinapaka tamin'ny filankevitry ny minisitra farany teo fa averina ankalazaina ny 01 aprily ity andro manantantara ho an'ny zandary ity. Raha ny 02 aprily no tena daty votondro tokony ho fankalazana azy io.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 30 mars 2016 10:45
    • Photo: Sobika Sambava

    RN5A Andapa – Sambava : Lasa mampidi-doza

    Mila fitandremana fatratra ankehitriny ny fandehanana amin’ny lalam-pirenena faha-5A mampitohy an’Andapa amin’i Sambava. Mihatery ny lalana, tsy simba fa miharakotra bozaka sy tototry ny ala, noho ny tsy fahampian’ny fikojakojana. Mitaraina ny mpitatitra fa anisany mahatonga ny lozam-pifamoivoizana mateti-pitranga amin’iny lalam-pirenena iny izany. Ankoatra ny lalana be fiholana mantsy dia tsy mifankahita ny fiara raha tsy efa samy akaiky satria feno ahitra sy hazo ny manodidina, manginy fotsiny ny omby miraoka ahitra amin’ny sisin-dalana.
    Lire la suite ...
Page 191 sur 214