Vaovao

    • lundi, 23 novembre 2020 21:34
    • Sary ZP

    Halatra : Roa volana taorian’ny nahaverezany, hita ilay moto sy ny mpangalatra azy

    Ny 18 septambra 2020 tao Antaimby, Fokontany Antanifotsy, Kaominina ambonivohitr’i Sambava, Faritra SAVA ny moto tsy mataho-dalana iray marika MADA no very. Nahazo fampitam-baovao ny Zandary avy ao amin'ny Tobin-janam-paritry ny Zandarimariam-pirenena ao Bemaranja fa ao Beramanja io moto io sy ny tovolahy nahiana mafy ho nangalatra azy. Nanao ny fikarohana ifotony ireo Zandary tao Beramanja ny 22 novambra 2020 ka tra-tehaka niaraka tamin'ilay moto nangalariny ilay tovolahy nahiahiana, ary niaiky avy hatrany ny heloka vitany. Hatolotra ny tompony tsy ho ela ny moto. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 novembre 2020 21:29

    Befotaka Avaratra : Zazavavy kely mpianatry ny EPP maty an-drano

    Zazavavy kely iray, 13 taona, no maty natelin’ny rano Maevarano, tao Befotaka Avaratra, Distrika Analalava, Faritra Sofia, ny tolakandron’ny alahady 22 novambra 2020. Hisasa sy hanasa lamba no namonjeny renirano, saingy nibolisatra dia nilentika. Efa adim-pamantaranandro telo taty aoriana vao hita, saingy efa tsy avotra intsony ny ainy. Mpianatra ao amin'ny EPP Befotaka Avaratra ilay zazavavy kely namoy ny ainy ity.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 novembre 2020 21:24
    • Sary ZP

    Lonilonim-pianakaviana : Pasitera iray maty nisy namono, sady voaroba fananana

    Tambazotran-jiolahy iray ahitàna jiolahy miisa 15 no saron'ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena ao Miarinarivo. Notafihan'ny andian-jiolahy ny tokantrano iray tao Anorankely Fokontany Anorambe, Kaominina Ambatomanjaka, Distrika Miarinarivo, Faritra Itasy ny alin'ny 10 novambra 2020. Lasan'ireo jiolahy tamin'izany ny vola mitentina iray tapitrisa Ariary teo ho eo, ary namoizan'aina olona iray izay mpitondra fivavahana. Lonilonim-pianakaviana mahakasika ny famarotana lova no antony ny fanafihana, ka ny zanany sy ny zafikeliny ihany no nanao izany. Olona miisa 15 no voarohirohy amin’ity raharaha ity, ka efa voasambotry ny zandary ny 12, mbola karohina kosa ny 03.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 22 novembre 2020 16:29

    Ady amin’ny kere any Atsimo: “Ambony dia ambony ny fanamby miandry antsika”, hoy Ntsay Christian

    Nidina ifotony nijery ny zava-misy sy ny dingana efa vita any Amboasary atsimo ny delegasiona tarihin’ny Praiministra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Nanambarany fa : “ambony dia ambony ny fanamby miandry antsika raha ny ady amin’ny kere aty Atsimo no resahina”. Mahakasika ny fanampiana ireo olona tratry ny fahasahiranana, dia hapetraka ao Amboasary ny « Centre opérationnel de coordination » izay ho eo ambany fitarihan’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, ary homena fitaovana sy teti-bola mifanaraka amin’izay filàny izay. Io foibe io no hibaiko sy handrindra ny asa rehetra izay atao ao amin’ny Distrikan’Amboasary. Hanana solontena ao anatin’izany ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo ratsa-mangaikan’ny fitondrana. Jerena mandritra izao dian’ny delegasiona izao koa ny toerana hametrahana ny CRNM na Centre de Réhabilitation Nutritionnelle et Médicale, izay hiasa mandavan-taona, ary hasiana “Banque alimentaire” eo akaikiny. Io “banque alimentaire” io dia toerana natokana hametrahana sakafo, hanampiana ireo izay ianjadian'ny olana ara-tsakafo rehefa main-tany. Afaka manatona io CRNM io ihany koa mandavan-taona, ireo olona misedra fahasahiranana ara-tsakafo. Ankoatra an'Amboasary dia hapetraka ao Ambovombe, Tsihombe, Beloha, ary Ampanihy ny CRNM.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 22 novembre 2020 14:35

    Ramala – Ankazobe : Hametrahana toeram-pialantsasatry ny mpampiasa ny lalam-pirenena faha-4

    Andalana ny fanorenana toeram-pialantsasatry ny mpampiasa ny lalam-pirenena faha-4 ho fiarovana ny mpampiasa lalam-pirenena ary fampihenana ny lozam-pifamoivoizana. Ao amin'ny toerana atao hoe : Ramala, Fokontany Ambohinaorina, Kominina Kiangara, Distrika Ankazobe, Faritra Analamanga, RN4 PK 179, no hisy azy ity. Hametrahana ny "Brigade Routière Spéciale (BRS)" an'ny Zandarimaria ihany koa eo, ary natao ny 20 novambra 2020 ny fametrahana ny vatofototry ny asa fanorenana ny foto-drafitrasa ho amin’izany. Hisahana ny fiarovana ny lalam-pirenena faha-4 manomboka any Talatamaty ka hatrany Maevatanana, izay tsapa tato ho ato fa anjakan'ny asan-jiolahy matetika ity BRS vao naorina ity.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 22 novembre 2020 14:23
    • Sary nomena

    Vahaolana vonjimaika ny kere : Napetraka ao Beloha ny “Kaly Tsinjo”

    Nitarika delegasiona tao amin’ny Distrikan’i Beloha - Faritra Androy, ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christiana ho fijerena ny zava-misy sy ny dingana efa vita ary fitondrana vahaolana vonjimaika, fohy ezaka ary lavitr’ezaka ho famahana ny olana amin’ny fisian’ny hanoanana mitarazoka na kere. Napetraka ao Beloha ny “Kaly Tsinjo”, ary ezahina hiparitaka manerana ireo Kaominina rehetra mandrafitra ny Distrikan’i Beloha izany. “Fanampiana vonjy maika ho an’ireo izay tena sahirana ihany izao nentinay izao, fa mbola hisy fandaminana hafa apetraka, indrindra fa ny vahaolana ho lovainjafy ka hiteraka fampandrosoana amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny sehatry ny fanabezana, ny fahasalamana, ny rano ary ny fametrahana fotodrafitrasa maro”, hoy ny Praiminisitra.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 19 novembre 2020 20:05
    • Sary nindramina

    Kaominina Morarano Gara : Olona iray matin’ny pesta

    Raim-pianakaviana iray sahabo ho 40 taona no fantatra fa matin’ny pesta (peste bubonique) tany amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Morarano Gara (MLA), Moramanga, androany alakamisy 19 novambra. Nanamafy izany ny tompon'andraikitra iray izay nilaza fa voatery nandray an-tanana ny fikarakarana ny razana ny eo anivon’ny fitantanana ny Kaominina. Tonga nanamarina izany tany an-toerana ny tompon'andraikitry ny fahasalamana avy any Moramanga sy ny solontenan’ny mpitandro filaminana. Nalevina tao amin’ny fasam-bahiny ao Antsimisoritra ny razana tamin’ny maty masoandro, taorian’ny fizahana araka ny voatondron’ny lalàna amin’ny tranga toy itony.Manaraka ny fombafomba sy ny fepetra ara-pahasalamana tsy maintsy arahina ny fandevenana.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 19 novembre 2020 19:57
    • Sary nomena

    Arabia Saodita : Nanohana an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy tamin’ny valanaretina Covid-19

    Noraisin’ny Praiminisistra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, teny amin’ny lapam-panjakanan’i Mahazoarivo androany ny delegasiona avy any Arabia Saodita, izay notarihin’ny minisitra Saodiana eo anivon’ny raharaham-bahiny miandraikitra an’i Afrika, Ahmad Bin Abdulaziz Kattan. Ho fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy ny fanjakan’i Arabia Saodita dia haorina tsy ho ela eto amintsika ny foiben-toerana masoivohon’ity firenena ity. Nanamarika ny minisitra Saodiana fa efa ela no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Malagasy sy ny Saodiana, fiaraha-miasa izay nisahana sehatra maro toy ny fifanakalozana ara-barotra, ny tetikasa samihafa mahakasika ny angovo sy ny fotodrafitrasa ary ny fanamboaran-dalana, izay vatsian’ny banky Saodiana momba ny fampandrosoana, ny fanampiana mitentina 370 tapitrisa dolara teo amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny famatsiana 500 000 dolara ho an’ny ady tamin’ny valanaretina Covid-19. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 17 novembre 2020 22:23
    • Sary nindramina

    Toamasina : Hohajariana ny Boulevard Ratsimilaho ary hakarina ny haavony

    Hohajariana ny Boulevard Ratsimilaho ary ampiakarina hatramin'ny 6 metatra ny haavony mba tsy ho ravan'ny loza voajanahary tahaka ny teo aloha. Ankoatra izay dia natolotra amin'ny fomba ofisialy androany ihany koa ny fanajariana ny lalana miainga avy eo Morafeno mivoaka eo amin'ny Hopitaly Be, izay hanala ny fitohanana ao an-tampon-tanànan'i Toamasina. Narafitra natao "béton" ity lalana ity mba hateza sy haharitra aman-taona maro ary malalaka ahafahan'ny fiara hivezivezy. Nasiana lalana natokana andehanan'ny mpandeha an-tongotra. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 17 novembre 2020 21:54
    • Sary nindramina

    Tetikasa « MIAMI » : Natomboka ny dingana voalohan’ny asa izay haharitra 5 volana

    Natomboka ny dingana voalohany amin'ny tetikasa MIAMI ao Toamasina, dia ny fanajariana ny tapany avaratra manomboka amin'ny Hopitaly Be mifarana eo amin'ny Neptune izay mirefy 560m. Ao anatin’izany no ametrahana rarivato mirefy 800m, izay manaraka ny endriky ny sisin-dranomasina, ary hiaro ny foto-drafitrasa amin'ny onjan-dranomasina sy ny rivodoza. Hohajariana tanteraka ny moron-dranomasina hahafahana mametraka ny fototra ijoroan'ireo fotodrafitrasa : dia ny "Jardin des amoureux", ny "skate-park", ny fanaovana fanatanjahantena an-kalamanjana, sy ny tapany voalohany amin'ny toerana hipetrahan'ireo mpivarotra voanio. Haharitra 5 volana ny fanatanterahana ity dingana voalohany ity ary hitohy avy hatrany ny dingana faharoa hatrany amin'ny faha-efatra farany.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 213