Volamena 73.7kg : Nidoboka eny Tsiafahy ny 7 lahy, etsy Antanimora ny vavy 1
- dimanche, 10 janvier 2021 16:02
- Tigre
Efa hadiva haraina ny alahady 10 janoary 2021 amin'ny 3ora30 no nivoaka ny didy famonjana vonjimaika an'ireo andihany voalohany nohenoana tetsy amin'ny fitsarana miady amin'ny kolikoly na ny PAC, 8 miandahy ireo notanana, 7 lahy nalefa eny amin'ny fonjaben'ny Tsiafahy, 1 vavy kosa notazonina vonjimaika etsy Antanimora.
Ny vavy : Mpiandraikitra ara-barotra ao amin'ny orinasa STA (agent commercial), misy ny fiaramanidina nitondra ilay volamena.
Ny Lahy :
- Ny Sekretera jeneralin'ny Aviation Civile de Madagascar (ACM)
- Ny tompon'andraikitry ny fandraharahana, responsable opération STA
- Ny tale tekinika n'ny STA
- Ireo Mpanamory roalahy
- Ireo roalahy tafajanona teto Madagasikara tsy nihondrana niaraka tamin'ireo telo voasambotra any Afrika atsimo.
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.