Korea avaratra : Ampitaovana sambo mpiady misitrika nokleary ireo tafika an-dranomasina

  • samedi, 09 janvier 2021 10:41
  • Tigre
  • Sary nindramina

Nanditra ny kongresy faha 8 n'ny antoko any Korea avaratra, dia nanao fanambaràna ny filoha koreanina tavaratra Kim Kong Un, fa i Amerika no fahavalony voalohany, ary misakana ny fampandrosoana any aminy, ka dia hampitaovana ny tafika an-dranomasina sambo mpisitrika nokleary, sous marrin nucléaire, ny fitondrana Korea avaratra.

Na ny filoha Donald Trump na i Joe Biden hadimby azy moa dia mifanenjana hatrany amin'i Kim Jong Un. Nisy ny fifanantonana tamin'ny taona 2019 teo amin'i Donald Trump sy Kim Jong Un, fa nandamoka izany fihaonana indroa miantoana izany, satria nangataka ny hanalefahana ny fay rano ara-toekarena ataon'ny Amerikanina ny Korea avaratra, fa tsy nanaiky izany Donald Trump raha tsy mitsahatra amin'ny famokarana bomba atomika i Korea avaratra.

Vary mangatsiaka miandry ny filoha vaovao amerikanina, Joe Biden, izany ity resaka Korea avaratra ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.