Fitakian’ny mpianatry ny ENS : Manomboka ny famahana ireo olana

  • vendredi, 08 janvier 2021 08:16
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Manomboka ny famahana ireo olana 24 ora taorian’ny andro voalohany nivoahan’ny mpianatry ny ENS Ampefiloha ny faritry ny sekoly, nilanjan’izy ireo sorabaventy mitaky ny hampiharana ny voarakitry ny fifanarahana nifanaovan’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny Ecole Normale Supérieure, izay vita sonia tamin’ny 31 jolay 2018.

Taorian’ny fifampidinihana nifanaovan’ny solontenan’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ny oniversiten’Antananarivo, ny ENS ary ny mpianatra nanao fitakiana, dia nisy fandraketana an-tsoratra ireo zavatra voadinika sy ny vahaolana nifanandrify tamin’izany toy ny efa fahavononan’ny « contrat » miisa 82 hosoniavin’izay nahazo izany.

Hisy fananganana vaomiera iraisana, hanohy ny fandinihana ireo fitakiana.

Mihaona ireo mpianatra mpitokona anio amin'ny 10ora ahitana ny tohin'ny hetsika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.