Trangam-piarahamonina : Renim-pianakaviana nilaozan-tsakaiza, namono tena

  • vendredi, 20 novembre 2020 15:36
  • Zakaria

Renim-pianakaviana iray, 30 taona eo ho eo, manan-janaka roa no namono tena io maraina io, teo Vatofotsy-Antsirabe, vokatry ny famoizam-po.

Toaka nisy ranom-panafody tsy fantatra no nosotroiny hamonoany tena. Izy niantso vonjy sy nitomany no nanaitra ny manodidina ka nifamonjena haingana nentina any amin'ny hopitaly.

Nambaran'ny rahavaviny fa nilaozan'ny sakaizany, izay mpitandro filaminana, no niteraka famoizam-po taminy ka nitarika amin’izao fikasana hamono tena izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.