Barea : Vononana ara-moraly ny mpilalao

  • mardi, 17 novembre 2020 07:55
  • Zakaria

Lalao lehibe no hatrehin’ny Barea an’i Madagasikara anio, tafiditra amin’ny fifanintsanam-bondrona hahazoana tapakila ho amin’ny dingana famaranana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra, izay hatao any Cameroun.

“Mahafaly ny milaza amintsika rehetra fa tsy nisy ny naratra, ny zava-dehibe koa dia hita soritra amin'ny tsirairay ny fahavononana ara-moraly sy ny fiaraha-monina mahafinaritra eo amin'ny samy mpilalao”, hoy i Nicolas Dupuis mpanazatra ny ekipa nasionaly.

Mpanohana marobe no ao andamosin’ny Barea, manohana sy mankahery ary miandrandra vokatra tsara anio.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.