Ambohimandroso- Vakinankaratra : Nahandro sakafon'ny kisoa nitarika haintrano

  • samedi, 14 novembre 2020 21:20
  • Zakaria
  • Sary nomena

Nitrangana haintrano tao atsinanan'ny tsena Ambohimandroso (RN7) Vakinankaratra ny marainan’ny 10 novambra teo.

Noho ny tsy fitandreman'ny tompon'ny trano nahandro sakafon'ny kisoa no niandohan’ny afo, ary nitarika haintrano.

May tsy nisy noraisina ny trano sy ny fitaovana tao anatiny. Tsy nisy aina nafoy fa olona folo no tsy manan-kialofana.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.