Covid-19 : Hatao isaky ny sabotsy ny fanomezam-baovao mikasika ny fivoarany

  • mardi, 13 octobre 2020 21:25
  • Zakaria

Miato nanomboka androany talata 13 oktobra 2020 ny fanomezam-baovao sy ny antontanisa mikasika ny fivoaran’ny Covid-19 eto Madagasikara, entin’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle isaky ny amin’ny 1ora tolakandro amin’ny haino amanjery, isan’andro nanomboka tamin’ny 23 marsa 2020, ary tsy mbola tapaka tamin'izany izy na andro alahady aza.

Hatao isaky ny sabotsy ny fanomezam-baovao entiny mikasika ny fivoaran’io valanaretina io eto Madagasikara, ka amin’ny sabotsy 17 oktobra 2020 no hanombohany izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.