Faritra Atsinanana : Vonona hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE

  • mardi, 15 septembre 2020 06:14
  • Tigre
  • Sary nomena

Hatao anio Talata 15 Septambra ny fanadinam-panjakana CEPE ato amin’ny Fiadidiam-pampianaran’ny Faritra Atsinanana.

Nanazava ny Governora RAFIDISON Richard Théodore fa nifandrimbonana ny ezaka fanomanana:

•Isaorana ny Fitondram-panjakana nampindrana angidim-by na hélicoptère nanaterana ny laza adina tany amin’ireo ivon-toeram-panadinana any amin’ny Distrika saro-dàlana ato anatin’ny Faritra,

•Isaorana ny OMC nanomana ny lafiny filaminana sy fahalemana,

•Teto Toamasina, isaorana ny BMH, ekipan’ny Ben’ny tanàna, tamin’ny ezaka famendrahana fanafody amin’ireo toeram-panadinana,

•Isaorana torak’izany ny ezaka nataon’ny fianakaviamben’ny sehatry ny Fanabeazam-pirenena.

MIRARY FAHOMBIAZANA HO AN’IREO KILONGA MADINIKA, hoy hatrany ny Governora Faritra Atsinanana.

Mpianatra 7 428 ato anatin'ny CISCO Toamasina 1 no hiatrika izany fanadinam-panjakana voalohany izany, ary 28778 ny ato anatin'ny Faritra Atsinanana iray manontolo, hitsinjara amin'ireo foibem-panadinana 115.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.