Fanadinana CAP: Distrika roa no manana kandida ao anatin’ny Faritra Menabe

  • lundi, 14 septembre 2020 20:05
  • Zakaria

Nanomboka androany ny fanadinana CAP (Certificat d'Aptitude Professionnel) eo anivon’ny ministeran’ny fampianarana teknika sy arak’asa.

Distrika roa amin’ny dimy no manana kandida miatrika izany ao anatin’ny Faritra Menabe. Miisa 14 ny kandida Morondava ary 36 ao Manja.

Nahitana fihenany ny isan’ny kandida CAP tao Morondava satria izay lasa tamin’ny fihibohana tsy niverina nanao dosie.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.