Sekolim-panjakana: Misy mampandoa saram-pisoratana anarana

  • samedi, 12 septembre 2020 20:12
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Sanganehana ny ray aman-dreny mampiana-janaka amin’ny sekolim-panjakana eto an-drenivohitra rehefa nandray taratasy avy amin’ny sekoly ianaran’ny zanak’izy ireo, milaza ireo taratasy ilaina sy ny vola aloa amin’ny fisoratana anarana.

Taorian’ny fanambarana nataon’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny alahady 6 septambra, nohamafisin’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle fa maimaimpoana ny fisoratana anarana amin’ny sekolim-panjakana dia mihevitra ireo ray aman-dreny fa tsy misy fanavahana izany, fa mihatra ho an’ny EPP, CEG ary Lycée.

Tsy izay anefa no miseho fa andoavam-bola, ary tsy mamerina vola efa voarotsaka ny sekoly.

Tsiahivina fa amin'ny 26 oktobra 2020 ny fidiran’ny taom-pianarana 2020-2021 ho an'ireo mpianatra amin'ny sekolim-panjakana, dia ireo mpianatra amin'ny ambaratonga fototra sy ireo mpianatra amin'ny ambaratonga faharoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.