Mahajanga: Anatin’ireo faritany telo tena maro olona voan’ny Covid-19

  • lundi, 03 août 2020 21:37
  • Zakaria

Anatin’ireo faritany telo izay tena maro olona mitondra ny otrikaretina Covid-19 i Mahajanga. Ho an’ny faritra Boeny manokana dia 210 no isan’ireo hitan’ny fitiliana fa mitondra ny otrikaretina ankehitriny. 111 amin’izy ireo mitsabo tena any an-tokantrano ary ny 22 kosa dia eny amin’ireo hopitaly voatokana amin’izany.

Misy ireo marary ahiahiana ihany koa no efa tsaboina eny amin’ny hopitaly na dia tsy mbola nahavitana fitilina, kanefa maneho ireo fambaran’ilay aretina.

Olana amin’ny tsy ahafahana mifehy ny valan’aretina araka ny tatitra nandritra ny fivorian’ny CRCO Boeny androany, dia ny tsy fihibohan’ireo olona efa voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina. Mbola misy hatrany ny fivorivoriana eny anelankelan’ny Fokontany, ary tsy manao aro-vava sy orona rehefa tsy mahita ireo mpitandro filaminana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.