Gasypatriote: Miampy namana mpanao gazety sady mpandalina

  • lundi, 03 août 2020 21:36
  • Zakaria

Tongasoa ny namana Balita, hitondra amintsika ireo vaovao misongadina, ary hanao fandalinana ara-politika, sosialy ary ara-toekarena amintsika.

I Balita dia mpanao gazety mana-pahaizana ambony momba ny fandalinana fiaraha-monina.

Raha ny fomba fijeriny dia mitaiza sy manabe olom-pirenena amin'ny alalan'ny vaovao marina sy mitombona no tanjony.

Ny eto amin'ny Gasypatriote moa dia fenitra napetraka ny fahalalahan'ny mpanao gazety amin'ny fomba fijery maro loko ahafahan'ny rehetra mandalina sy manao ny safidy fandalinana avy eo. Tsy misy teritery na lohahevitra fady, ankoatran'ny fifanajana sy ny fahamarinan'ny vaovao ary fanajana ny fenitra maha mpanao gazety.

Hijanona tsy ambaratelo ny momba azy, fa hitatsika miandalana eny ihany ny sangan'asan'i Balita.

Mirary soa e.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.