Hetsika « Sosialim-bahoaka » : Mitohy ny fizarana tohana ara-tsakafo ho an’ireo fianakaviana sahirana

  • lundi, 03 août 2020 12:38
  • Zakaria
  • Sary nindramina

ANS Ampefiloha, CRC Tsiadana, CEG Ambohimiandra, EPP Vohibola, EPP Antanimena, Kianja Angarangarana, Coliseum Antsonjombe, Andranomena no anisany toerana anohizana ny hetsika « Sosialim-bahoaka » izarana tohana ara-tsakafo ho an’ireo fianakaviana sahirana hiatrehana ny hamehana ara-pahasalamana.

Fianakaviana miisa 1 200 avy no hisitraka izany ao amin’ny Boriborintany Voalohany, Faharoa, Fahatelo, Fahaefatra ary fahaenina ; 1800 kosa ny ao amin’ny Boriborintany Fahadimy.

Natomboka teo amin’ny Kianja Malacam tamin’ny sabotsy 1 aogositra moa ity hetsika « Sosialim-bahoaka » ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.