Fihaonana – Tsiroanomandidy: Jiolahy mitam-basy iray maty voatifitra

  • dimanche, 02 août 2020 13:05
  • Zakaria
  • Sary: ZP

Tokantrano iray tao Bekapika Fokontany Amparihibe, Kaominina Fihaonana, Distrika Tsiroanomandidy notafihin’ny jiolahy mitam-basy. Tafatsoaka anefa ny tompontrano, ka afaka niantso vonjy.

Nifanome tanana ny Fokonolona nampian’ny Zandary nanenjika ireo jiolahy. Voasambotra ny iray, tafatsoaka kosa ny roa.

Teny an-dalana hanoro ny toerana misy ireo roalahy nitsoaka ilay jiolahy voasambotra no nanararaotra nitsoaka tao anaty haizina sy oran’andro. Nanapoaka basy ny Zandary hampijanonana azy saingy nanao anjolofo ilay jiolahy ka maty voatifitra.

Raindahiny amin’ny halatr’omby sy vaky trano ity farany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.