Toamasina: Tsy avela ahazo vahana ny Covid-19

  • mardi, 28 juillet 2020 08:50
  • Zakaria
  • Sary nomena

Mitohy tsy an-kiato ny asa sy hetsika eto an-drenivohitra Betsimisaraka.

Mitohy ny asa fanentanana TAM TAM nataon’ny Tetik’asa FANDRIAKA.
Hetsika mandritry ny 03 andro, famendrahana fanafody ireo cyclopousses sy tuc tuc mpitatitr’olona rehetra. Atao amina toerana maromaro miparitaka manerana ny tanàna.

Ny CRCO koa dia manohy ny fidinana ifotony manentana sy misafo ireo toerana tena ivoriam-bahoaka toy ny tsena.
Tamin’ny herinandro lasa dia ireo tsena Bazary-Be, Bazary-kely, Bazary Ambolomadinika, Bazary Ankirihiry, Bazary Valpinson, no nanaovana fidinana tampotampoka, nisavàna arovava, nanentanana ary nizaràna arovava.

Tao Bazary Dépôt, Bazary Verrerie ary Bazarim-by Ambalabe, no nosafoina sy nanaovana fanentanana. Ny Goverinora, Préfet, Solombavam-bahoaka, Ben’ny tanàna, no nitarika izany asa goavana fanentanana izany.

Marihina fa ny tanjon'ny mpitondra fanjakana eto an-toerana, dia ny tsy hiakaran'ny isan'ny marary indray, ka sanatrian'izany, tsy hisitraka intsony an'izao fihibohana nalefahana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.