Toliara: Tranombarotra iray kilan'ny afo

  • dimanche, 26 juillet 2020 22:31
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Androany alahady 26 jolay 2020 nanodidina ny mitatao vovonana no nitranga ny haintrano. Nisokatra ilay tranombarotra ny maraina, teny an-dalana hamonjy fodiana ny tompony no nisy nampandre fa misy afo ao anaty tsena.

Nifarimbona ny mpamonjy voina avy amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Toliara sy ny an’ny ADEMA tamin’ny famonoana ny afo.

Lehibe ny fahavoazana, mandeha ny fanadihadiana hamantarana ny nahatonga ny afo.

 (Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.