Covid-19: Nanao fangatahana fanampiana maika amin'ireo mpamatsy vola ny minisitry ny fahasalamana

  • mardi, 21 juillet 2020 21:27
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Araka ny taratasy nalefan'ny minisitry ny fahasalamana Pr AHMAD Ahmad teo anivon'ireo sampana sy mpiara-miasa ary mpamatsy vola momba ny fahasalamana ny alatsinainy 20 jolay 2020, dia nanao fangatahana maika, fitaovana entina miady sy miatrika ny valanaretina Covid-19 izy.

Tafiditra amin'izany, indrindra fa ho an'Antananarivo sy ny manodidina, izay nambarany, fa mihombo izay tsy izy ny aretina, ka mila fitaovana fameloman'aina, fitaovana fiarovana ireo mpitsabo, ireo kojakoja fanaovana fitiliana, ireo fanafody, ary tsy adinony tamin'izany ny vola omena ireo mpitsabo sy ireo mpiasan'ny fahasalamana miatrika izao valanaretina izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.