Antanambao Ambary – Mandoto: Nanaovan’ny mpitandro filaminana bemidina ireo nikasa hanao « havoria »

  • mercredi, 15 juillet 2020 13:46
  • Zakaria

Fianakaviana iray ao Andranomainty, Kaominina Antanambao Ambary distrika Mandoto no heno fa nikasa ny hanao « havoria » ny 14 jolay 2020. Nanaovan’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Zandarimaria sy Polisim-pirenena bemidina tao an-toerana ilay fianakaviana, nanakana ny fikasany hanatanteraka izany lanonana mitarika fitangoronana izany, izay voarara anatin’izao vanimpotoana fahamehana ara-pahasalamana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.