Covid-19: Nitokona ireo mpianatra 7è-8ème année HJRA

  • lundi, 29 juin 2020 17:27
  • Tigre
  • Sary nindramina

Manoloana ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 izay mahazo ny hopitaly iasan'ireto mpianatra mpitsabo, nefa tsy misy fitaovana fiarovana azon'izy ireo, tsy misy indemnité, nefa dia miasa andro aman'alina, ka rehefa nifampidinika maharitra tamin'ireo tompon'andrikitra nefa tsy nisy vahaolana mazava naroso, dia nitokona androany ireo mpianatra ho dokotera 7è-8ème année, mitaky ny anomezana fitaovana fiarovana azy ireo, mitaky ihany koa ny indemnité izay efa nampanantenain'i Filoham-pirenena hoy hatrany izy ireo.

Tsy hiverina hiasa ireto farany raha ny angom-baovao raha tsy mivaly ny fitakian'izy ireo.

Ny Bloc fandidiana ao amin'ny HJRA amin'izao dia mbola mihidy, fa ireo marary mafy ihany no raisina ao, ary mbola diovina ny toerana satria mihanaka ny valanaretina.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.