Covid-19: Mitohy 15 andro ny « Fahamehana ara-pahasalamana »

  • dimanche, 28 juin 2020 08:44
  • Zakaria

Taorian'ny fakan-kevitra nataon'ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta, araka ny fahefana nomen'ny Filoham-pirenena azy, tamin'ireo filohana Andrimpanjakana 3: ny Antenimieram-pirenena, ny Antenimierandoholona, ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, dia nandray didim-panjakana ny Filohan'ny Repoblika Malagasy Andry Rajoelina, teo anivon'ny filan-kevitry ny minisitra, fa tohizana ary mihatra avy hatrany, manomboka ny 27 jona 2020, eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny « Fahamehana ara-pahasalamana » (état d’urgence sanitaire) mandritra ny 15 andro noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dalàna ny asan’ireo fahefam-panjakana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.