Covid-19: Miisa 40 000 ireo voa tao anatin'ny 24ora any Etats-Unis

  • samedi, 27 juin 2020 13:34
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Mitombo hatrany ireo voamarina mitondra ny otrik'aretina Covid-19 any Etats-Unis. Nahatratra 40 000 ireo voa tao anatin'ny 24ora.

Ireo tanora no tena maro amin'izany noho ny tsy fanarahana ny fanaovana takom-bava, ny tsy fanajana ny elanelana.

Ireo fanjakana, Etat, mpomba ny Filoha Donald Trump no tena tratra, satria izy ireo nametraka ny toe-karena ambonin'ny zavatra rehetra, ka tsy naka ny fepetra fihibohana, na ireo fepetra elanelana sy tako-bava, hanajana ny zo fototra amerikanina dia ny "fahalalahan'ny olom-pirenena"

Manahy ireo mpitondra ny hiakaran'izany hatrany amin'ny fahatongavan'ny fetim-pirenena amerikanina ny 4 jolay, izay andro fety lehibe any an-toerana, ka hifaneraseran'ny fianakaviana maro manodidina ny kihendihendy sy kitonotony Barbecue independence day.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.