Orly: Misokatra ho an'ny Eoropa ny sidina

  • samedi, 27 juin 2020 12:08
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanomboka ny zoma 26 jona dia nisokatra ny sidina mampitohy ireo firenena eoropeanina, niainga tao Orly France.

Nikatona nandritra ny 3 volana ity seranam-piaramanidina ity noho ny fiarovana amin'ny fihanaky ny valanaretina Covid-19.

70 ireo fiaramanidina niainga omaly zoma 26 jona, raha 600 isan'andro izany amin'ny andavanandro. 8000 ireo mpandeha omaly, raha 90 000 isan'andro teo aloha, 10% miohatra amin'ny andavanandro.

Ny kaompania Transvia no nanainga voalohany ho any Porto, tanàna iray avaratra andrefan'i Portugal, tamin'ny 6ora25 minitra, ary notondrahana rano araky ny fomba eo amin'ny famoivoizana ara-piaramanidina, "water salute".

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.