Covid-19: Mikatona vonjy maika ny toeram-pandidiana HJRA

  • jeudi, 25 juin 2020 15:06
  • Tigre
  • Sary nindramina

Maro ireo mararin'ny Covid-19 no manaraka fitsaboana sy fandidiana ao amin'ny hopitaly CHU Joseph Ravoahangy Andrianavalona HJRA.

Tsy manana fitaovana fiarovana amin'izany valanaretina izany anefa ireo mpitsabo sy mpandraharahan'ny hopitaly, ka dia betsaka ireo marary vokatr'izany.

Anisan'ny voa mafy amin'izao ireo mpianatra mpitsabo 7ème année na 8è année, voa ny maro amin'ireo miasa ao amin'ny bloc, ny mpiasan'ny laboratoire.
Raha atao bango tokana dia hoe feno Corona ny hopitaly fandidiana, ka dia nandray fanam-pahan-kevitra ny anakatona ny toeram-pandidiana ho an'ireo fandidiana nametrahana fotoana (Bloc programmé), fa dia ireo izay maika ihany sisa no atao. Diovina ny toeram-pitsaboana.

Tsy manana ankanjo fiarovana EPI sy fitaovana fiarovana ny hopitaly HJRA.

Mikasa ny hanao fitokonana ireo mpianatra mpitsabo interne, satria tsy manana ny enti-manana hividianana fitaovam-piarovana.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.