Vohilava – Mananjary: Vehivavy hita faty tao anaty lavaka misy rano

  • jeudi, 18 juin 2020 15:12
  • Zakaria
  • Sary: ZP

Ny tolakandron’ny 12 jona 2020 no nahitan’ny Fokonolona vehivavy iray 30 taona, efa tsy nisy aina intsony, tao anaty lavaka misy rano, ary nahitana ratra ny faritry ny lohany, ary niboridana ny tapany ambany. Tao Tanambao-Marohita Fokontany Ambalamanasa, Kaominina Vohilava, Distrikan’i Mananjary no niseho ity loza ity.

Nidina teny an-toerana ny Zandary rehefa nahazo fampandrenesana, ary nanokatra fanadihadiana avy hatrany.

Tao anatin’izany no nahalalana fa lehilahy iray, 44 taona, fantatra amin’ny solon’anarana hoe : Lagay no nahavanon-doza. Voasambotra ny 13 jona izy, ary notanana nanaovana famotorana tao amin’ny Brigadin’i Vohilava.

Nafindra tao Mananjary ilay voarohirohy ho nahavanon-doza nisorohana ny hatezeran’ny Fokonolona mety hivadika fitsaram-bahoaka sy hikarohana izay mety ho mpiray tendro tamin’ity vono olona ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.