Antamponateza RN3: Ambony ambany no niafaran’ilay kamiao niala moto

  • mardi, 19 mai 2020 21:59
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Niala moto iray izay nisongona moto hafa nanao anjolofo tao anaty fiolahana tsy mifankatazana, nefa misy lavaka no nosafidin’ny mpamilin’ilay kamiao hifanena aminy mba tsy hisian’ny ra mandriaka sy aina nafoy ; tafavoaka ny arabe anefa ilay kamiao ary nivadibadika ka ny kodiarana no lasa ambony.

Teo Antamponateza amin’ny lalam-pirenena faha-3 anelanelan’i Talata Volonondry sy Ankazondandy no nitranga ny loza androany. Tsy nisy ny aina nafoy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.