Ambanja: Lavanila 8 kg tratra teo amin’ny faritry ny « résidence » ny Distrika

  • mardi, 19 mai 2020 21:36
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Lavanila halatra avy hatrany no iheveran’ny maro ity 8 kg tratra teo amin’ny faritry ny « résidence » ny Distrika Ambanja ity. Mbola amin’ny 25 may 2020 rahateo no misokatra ny tsenan’ny lavanila aty amin’ny faritra Sambirano.

Misy anefa ireo mivarotra lavanila an-tsokosoko tsy mahandry ny fisokafan'ny tsena. 30 000 Ariary ka hatramin’ny 100 000 Ariary ny kilao amin’izao ny vanila maitso manta, izay isany mampirongatra ny tsy fandriampahalemana manoloana ny halatra lavanila maitso aty Ambanja.

Mandray an-tanana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ny eo anivon’ny Zandarimaria.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.