Tsararano-Mahajanga: Nanaovany filan-dratsy ilay zaza dia iny izy no nitsoaka tany Marovoay

  • mardi, 19 mai 2020 20:51
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tovolahy 20 taona no nahavanon-doza. Zazavavy 9 taona no nanamparany herisetra ara-nofo tany amin’ny fitombenany sady norahonany ho faty, tao Tsararano Ambony ny 7 may 2020. Nisy nahatsikaritra izy ka nitsoaka.

Nitantara ny nanjo azy ilay zazavavikely niharan’ny fanolanana. Nandray an-tanana ny raharaha ny Polisy rehefa nandray ny fitarainana. Voasambotra ny sabotsy 16 may 2020 tao Marovoay ilay tovolahy. Natolotra ny Fampanoavana androany ary notazomina am-ponja vonjimaika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.