Toamasina: Nohamafisina ireo fepetra rehetra

  • mardi, 19 mai 2020 08:40
  • Tigre

Miditra amin'ny tapa-bolana faha-5 amin’ny Fihibohana ny renivohitra Betsimisaraka (Toamasina 1 sy 2),

Taorian’ny fanambaran’Andriamatoa Filoha Andry Nirina RAJOELINA ny Alahady 17 may teo, dia nivory avy hatrany ny « Comité stratégique » CRCO Toamasina, ary namory mpanao gazety nanazava sy nitanisa ireo fepetra vaovao noraisina ary koa ireo nohamafisina:

• Hamafisina ny fanentanana, fitiliana ary fanaraha-maso any amin’ny kartie tsirairay, ary manamafy ny fidirana any ifotony ny mpitandro filaminana,
• Hamafisina ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny fepetra ara-pahasalamana sy fitandreman-tena. Hamafisina koa ny fanasaziana ireo izay mandika ny fitsipika.
• Henjanina sy hamafisina hatrany ny fanaraha-maso ny fidirana sy fivoahana ny tanànan’i Toamasina amin’ny RN2 sy ny RN5,
• Ferana hatramin’ny 09ora alina izany fivezivezena izany, eny fa na ny fiara mpitondra entana aza.

Tokony hanaja izany ny isam-batan’olona.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.