Lehilahy sempotra teo Ankazomanga: Taizan’aretin’ny tosi-drà sy vokatry ny aretim-po

  • lundi, 18 mai 2020 21:07
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tsy fahasemporana vokatry ny tsimok’aretina Coronavirus no nanjo ilay rangahy iray sempotra ka nitolefika teo amin’ny fivarotam-panafody Ankazomanga – Antananarivo androany alatsinainy 18 may 2020, ary niteraka resabe tamin’ny tambazotran-tserasera sosialy, fa noho izy efa taizan’aretin’ny tosi-drà na sy vokatry ny aretim-po.

Izay no fanazavana nentin’ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena, taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo avy amin’ny BIS na ny “Brigade d’Intervention Spéciale”, notarihin’ny Médecin Capitaine Masina Ndalana d’Assise.

Nizaha ny marary ny ekipan’ny BIS araky ny fandaminana sy ny toro-marika avy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny « Centre de Commandement Opérationnel CCO COVID 19 », hoy hatrany ny fanazavana. Vonjy aina no natao ka tsy maintsy mijery ny fomba rehetra hamonjena izany ny miaramila eo anivon’ny BIS ary nitondra ilay narary teny amin’ny hopitaly Befelatanana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.