Ambatofitatra - Sambava: Tovolahy matin’ny « tuberculose » nampiahiahy ny mponina

  • lundi, 18 mai 2020 20:56
  • Zakaria

Nodimandry ity alatsinainy 18 may ity ilay tovolahy rehefa notsaboina tao amin’ny hopitaly tsy miankina iray teto Sambava. Efa ity fahafatesana ity vao fantatry ny Fokontany Ambatofitatra onenany fa tonga aty Sambava ilay tovolahy.

Nidina teny an-toerana nanao fanadihadiana ny mpiasan’ny fahasalamana, notarihin’ny Médecin Inspecteur androany, ary tamin’izay no nahafantarana fa voan’ny raboka na « tuberculose » io tovolahy io, nitsabo tena tao Antananarivo izy ary natao fizahana tao amin’ny Institut d’Hygiène Social Analakely araka ireo taratasim-pitsaboana hita tao amin’ny fianakaviany.

Ny fomba nahatongavany taty Sambava no mampiahiahy ny olona, indrindra amin’izao fotoana mampisy ny valanaretina Covid-19 izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.