Ambositra: Mpivady mpitantana « Shop Airtel » naratra mafy lasibatry ny fanafihana mitam-basy

  • dimanche, 09 février 2020 14:30
  • Zakaria
  • Sary nomena

« Shop Airtel » iray, 150m miala ny kaomisarian’ny Polisy, eto Ambositra no notafihin’ny jiolahy mitam-basy ny alin’ny sabotsy hifoha ity alahady 9 febroary ity.

Tafakatra hatrany amin’ny rihana faharoa misy ny tompontrano ireo jiolahy rehefa avy nanapaka ny jiro tamin’ny kaontera amin’ilay trano.

Naratra voatifitra basy ilay renim-pianakaviana. Nandalo fandidiana avy hatrany tao amin’ny hopitaliben’Ambositra izy vantany vao tonga tao. Naratra mafy voavely « barre à pince » sy tsatok'antsy rangahy vadiny, ary niditra efitrano fandidy io maraina io ihany koa.

Tsy voakitika ny zanak’izy ireo.

Lasan’ireo jiolahy ny vola be sy ny fahana ary finday tao amin’ny fitoeran’entana tao ambony rihana. Tsy voakitika ny efitrano fivarotana tao ambany rihana.

Farafahakeliny poa-basy in’efatra no henon’ny manodidina nanakoako tao anaty haizina. Ny havan’ny maratra no niezaka nanavotra azy mianakavy tao an-trano ka nitondra azy ireo namonjy hopitaly.

Efa lasa minitra maromaro ireo jiolahy no voalaza fa tonga ny mpitandro ny filaminana, nefa tsy lavitra ny trano voatafika, tranga izay nahatezitra ny mponina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.