Andry Rajoelina: Any Addis-Abeba hanamafy ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena

  • samedi, 08 février 2020 22:47
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Any Addis-Abeba, renivohitr’i Etiopia, hatry ny tolakandro teo ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, mitarika ny delegasiona malagasy handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony faha-33 ny Vondrona Afrikanina ny 9 sy 10 febroary 2020.

« Hanamafy ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no anton-dia», hoy ny filoha Rajolina, « mba hamiratra indray ny Tanindrazana ka tsy ho latsa-danja amin’ireo firenena Afrikanina hafa i Madagasikara ».

Hifarana amin’ity fihaonana an-tampony faha-33 ity ny fitondran’ny filoha Ejipsiana, Abdel Fattah al-Sissi, ny Vondrona Afrikanina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.