Takaitran’ny andro ratsy: 32 namoy ny ainy, 10 tsy hita popoka, 116 675 ireo traboina

  • dimanche, 26 janvier 2020 21:58
  • Zakaria

Mihombo ny fahavoazana nateraky ny andro ratsy nitondra oram-be niteraka tondradrano tamin’ny faritra maro. Raha ny tatitra vonjimaika navoakan’ny BNGRC io hariva io dia 32 ireo namoy ny ainy, 10 tsy hita popoka ary 116 675 ireo traboina.

Nahitana faty iray tao Marovoay androany alahady tolakandro rehefa nihena ny rano.

Miisa 14 103 ireo trano dobo rano ary 1517 ny trano nirodana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.