Faritra Matsiatra Ambony: Naato ny «Téléthon » tolo-tànana ho an'ireo Faritra niharam-boina

  • dimanche, 26 janvier 2020 12:07
  • Zakaria

Nanapa-kevitra ny Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony fa haato vonjimaika ny fanatanterahana ny Voin-kava mahatratra, izay notanterahina teo amin'ny Faritra sy tany amin'ny toerana hafa, ho fanomezana tolo-tànana ho an'ireo Faritra niharam-boina noho ny andro ratsy, noho ny fandraràna nataon’ny Minisiteran'ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ny tsy hanaovana  «Téléthon ».

Tao anatin’ny roa andro nanombohan’ny Faritra Matsiatra Ambony dia nahatratra 568 200 Ariary ny vola voaangona ary dia hatolotra amin'ny anaran'ny vahoakan'i Mahatsiatra Ambony ho an'ireo Faritra niharam-boina ho mariky ny firaisam-po amin'izy ireo.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.